FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Akofa”
  • Akofa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Akofa
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fikororohana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Asa eny Am-pamoloana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Lapelina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Israelita sy ny Fiainany Andavanandro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Akofa”

AKOFA

Vary akotry (orza na varimbazaha) poakaty. An’ohatra ny akofa resahin’ny Baiboly, nefa ahalalana ny asa teny am-pamoloana fahiny ihany ny andininy miresaka azy ireny. Tsy nilaina ny akofa taorian’ny fijinjana satria tsy azo nohanina, ka nety tsara hilazana zavatra maivan-danja, tsy misy dikany, tsy ilaina, na zavatra tokony havahana sy hariana satria tsy tsara.

Niraraka ny akofa rehefa novelezina teny am-pamoloana ny varimbazaha. Nopaohin’ny rivotra toy ny vovoka izy io avy eo, rehefa nokororohina ny vary. (Jereo FIKOROROHANA.) Toy izany koa no hanesoran’i Jehovah Andriamanitra ny mpivadi-pinoana tsy ho eo anivon’ny vahoakany, sy hamongorany ny ratsy fanahy sy ny firenena manohitra azy. (Jb 21:18; Sl 1:4; 35:5; Is 17:13; 29:5; 41:15; Ho 13:3) Hotorotoroin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fahavalony, ka ho mora paohin’ny rivotra toy ny akofa.​—Da 2:35.

Tsy nilaina ny akofa ka nangonina sy nodorana, sao notsofin’ny rivotra niverina nankeo amin’ny antontam-bary avy nokororohina. Hodorana na haringana koa ny mpitondra fivavahana ratsy fanahy, hoy i Jaona Mpanao Batisa. Hangonin’i Jesosy Kristy ny vary izay toy ny hoe eny am-pamoloana, “fa ny akofa sy ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mety maty.”​—Mt 3:7-12; Lk 3:17; jereo ASA ENY AM-PAMOLOANA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara