FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fikororohana”
  • Fikororohana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fikororohana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Akofa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Lapelina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Israelita sy ny Fiainany Andavanandro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Asa eny Am-pamoloana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fikororohana”

FIKOROROHANA

Dingana farany atao rehefa avahana amin’ny akofa sy mololo ny vary orza sy varimbazaha. Hosihosena eny am-pamoloana aloha ny salohim-bary ka mihintsana ny voany, ary tetitetehina ny mololo. Kororohina izy rehetra avy eo, izany hoe ingaina amin’ny lapelina na fikororohana ka atsipy ambony. (Is 30:24) Paohin’ny rivotra, izay mitsoka mafy amin’ny takariva, ny akofa sy mololo fa ny voa kosa milatsaka amin’ny tany satria mavesatra. (Rt 3:2; jereo SARY, Boky Faha-2, p. 953) Sivanina ny vary avy eo mba hanesorana ny vatokely sy ny toy izany, ary azo totoina na tehirizina.​—Am 9:9; Lk 22:31.

Heviny an’ohatra. Haniraka olona hamely an’i Babylona i Jehovah mba “hokororohin’ireny” i Babylona sy ny mponina ao aminy. (Je 51:1, 2) Ny Medianina sy Persianina notarihin’i Kyrosy no nanao ilay fikororohana an’ohatra. Toy ny hoe natsipin’izy ireo i Babylona sy ny mponina tao aminy, ka nopaohin’ny rivotra toy ny akofa hodorana. (Mt 3:12; Lk 3:17) I Babylona kosa talohan’izay efa nampiasain’i Jehovah hikororoka ny vahoakany na handresy sy hanaparitaka azy. (Je 15:7) Nomen’i Jehovah toky anefa ny vahoakany fa hataon’izy ireo toy ny akofa ny fahavalony ary hokororohiny. (Is 41:14-16) Hisy “rivotra mahamay” hitsoka amin’i Jerosalema, nefa “tsy azo ikororohana vary na anadiovana” izy io. Handravarava àry io rivo-mahery io fa tsy hikororohana.​—Je 4:11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara