FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kaldea”
  • Kaldea

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kaldea
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Babylona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Belsazara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Namoy Empira ny Mpanjaka Mpisolo Toerana Nieboebo Iray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Daniela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kaldea”

KALDEA

(Kalde), Kaldeanina.

Faritra atsimon’i Babylonia teo amin’ilay lemaka be antsanga, teo amin’ilay vinany lonaka anelanelan’ny Reniranon’i Tigra sy Eofrata. Ny Kaldeanina no mponina tany. Mety ho samy hafa ny lalan’ireo renirano ireo rehefa nivarina tao amin’ny Hoala Persika, ka ny tanànan’i Erido sy Ora no seranan-tsambo. Toa nihatototry ny antsanga anefa ilay helodranomasina rehefa nandeha ny fotoana. Nihemotra nianatsimoatsinanana àry ny morontsiraka, ka nitambatra i Tigra sy Eofrata vao nivarina tany an-dranomasina. Ny tanànan’i Ora, izay niavian’i Abrahama, no nandroso indrindra tao amin’ilay faritra. Nasain’Andriamanitra niala tao anefa izy mianakavy, talohan’ny 1943 T.K. (Ge 11:28, 31; 15:7; Ne 9:7; As 7:2-4) Nampirisihin’i Satana Devoly hamabo ny biby fiompin’i Joba mpanompon’Andriamanitra ny Kaldeanina, 300 taona teo ho eo taorian’izay.​—Jb 1:17.

Nihanahazo vahana tany avaratra ny Kaldeanina, ka lasa nantsoina hoe “ny tanin’ny Kaldeanina” i Babylonia manontolo. Efa nilaza mialoha i Isaia mpaminany fa hahery ny Kaldeanina, nefa ho resy ihany amin’ny farany. (Is 13:19; 23:13; 47:1, 5; 48:14, 20) Nahery tokoa izy ireo tamin’ny taonjato fahafito sy fahenina T.K. nandritra ny fitondran’i Nabopolasara, avy any Kaldea, sy ireo mpandimby azy, dia i Nebokadnezara II, Evila-merodaka (Avila-mardoka), Neriglisara, Labashi-Mardoka, Nabonida, ary Belsazara. Firenena Natanjaka Indrindra Fahatelo Eran-tany i Babylona tamin’izany. (2Mp 24:1, 2; 2Ta 36:17; Ezr 5:12; Je 21:4, 9; 25:12; 32:4; 43:3; 50:1; Ezk 1:3; Ha 1:6) Nifarana anefa io tarana-mpanjaka io rehefa “novonoina i Belsazara mpanjakan’ny Kaldeanina.” (Da 5:30) I Dariosy Medianina indray no “notendrena ho mpanjaka teo amin’ny fanjakan’ny Kaldeanina.”​—Da 9:1; jereo BABYLONA No. 2.

Nalaza ho nahay matematika sy nahay ny momba ny kintana ny Kaldeanina fahiny. Nisy antokon’olona mpilaza ny hoavy nihambo ho nahay nisikidy, tamin’ny andron’i Daniela. Nantsoina hoe Kaldeanina izy ireo.​—Da 2:2, 5, 10; 4:7; 5:7, 11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara