FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/9 p. 8-9
  • Namoy Empira ny Mpanjaka Mpisolo Toerana Nieboebo Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Namoy Empira ny Mpanjaka Mpisolo Toerana Nieboebo Iray
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpiara-manjaka sa Mpanjaka?
  • Mpanjaka mpisolo toerana natoky tena tafahoatra sy nieboebo
  • Belsazara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Belsazara: zanakalahin’ny mpanjaka mpandova sa mpanjaka?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Teny Efatra Izay Nanova Izao Tontolo Izao
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/9 p. 8-9

Namoy Empira ny Mpanjaka Mpisolo Toerana Nieboebo Iray

“BELSAZARA mpanjaka”, hoy ny nosoratan’i Daniela mpaminany, “nanao fanasana lehibe ho an’ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan’ireny no nisotroany divay.” Rehefa nandeha anefa ilay fanasana, dia ‘nivaloarika ny tarehin’ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.’ Tsy maraina akory ny andro dia “novonoina Belsazara, mpanjakan’ny Kaldeana. Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana”. — Daniela 5:1, 6, 30–6:1.

Iza moa i Belsazara? Ahoana no nahatonga azy ho nantsoina hoe “mpanjakan’ny Kaldeana”? Inona marina no toerana notanany tao amin’ny Empira babylonianina? Ahoana no namoizany ilay empira?

Mpiara-manjaka sa Mpanjaka?

Miresaka an’i Nebokadnezara ho rain’i Belsazara i Daniela. (Daniela 5:2, 11, 18, 22). Tsy hoe rainy amin’ny heviny ara-bakiteny anefa izy. Milaza tsy mivantana ny bokin’i Raymond P. Dougherty hoe Nabonidus and Belshazzar, fa raibeny avy tamin’i Nitocris reniny, i Nebokadnezara. Mety koa hoe satria mpanjaka nodimbasan’i Belsazara i Nebokadnezara, dia “rainy” izy. (Ampitahao amin’ny Genesisy 28:10, 13.) Na ahoana na ahoana, ireo soratra cunéiformes eo amin’ny varingarina tanimanga maromaro hita tany atsimon’i Irak nandritra ny taonjato faha-19, dia mampahafantatra an’i Belsazara ho ny zanaka lahimatoan’i Nabonida, mpanjakan’i Babylona.

Koa satria mifantoka amin’ireo zava-niseho tamin’ny alina nianjeran’i Babylona tamin’ny 539 al.f.i. ny fitantarana ao amin’ny Daniela toko faha-5, dia tsy lazainy ny fomba nahazoan’i Belsazara ny fahefan’ny mpanjaka. Manome hevitra sasantsasany momba ny fihavanan’i Nabonida sy i Belsazara kosa anefa ireo loharanon-kevitra arkeôlôjika. “Manambara an’i Nabonida ho mpitondra hafahafa, ireo soratra babylonianina”, hoy i Alan Millard, arkeôlôgy sady manam-pahaizana momba ny fiteny semitika tranainy. Nanampy teny toy izao i Millard: “Na dia tsy hoe nataony tsinontsinona aza ireo andriamanitr’i Babylona, dia (...) nanehoany fiheverana tena manokana kosa ny andriamanitra volana tao amin’ny tanàna roa hafa, dia i Ora sy i Harana. Nandritra ny taona maromaro nanjakany, dia tsy nipetraka tao Babylona akory i Nabonida; nijanona tao amin’ny tany lonaka an’efitr’i Téima [na Téma] lavitra be, tany avaratr’i Arabia, kosa izy.” Miharihary fa lavitra an’i Babylona, renivohitra, no nandanian’i Nabonida ny ankabeazan’ny fotoana nanjakany. Nomena an’i Belsazara ny fahefana hitantan-draharaha nandritra izany fotoana tsy nahateo an-toerana azy izany.

Misy tahirin-kevitra cunéiformes voalazalaza ho “Tononkalo Fitantarana An’i Nabonida” manazava bebe kokoa momba ny tena toerana notanan’i Belsazara. Izao no ambaran’izy io: “Nankininy [Nabonida] tamin’ny (zanany lahy) zokiny indrindra, ilay lahimatoa, ny ‘Tafika’, nodidiany ho eo ambany (fifehezan’izy io) ny andian-tafika tao amin’ilay tany manontolo. Nomeny azy (ny zava-drehetra), nankininy taminy ny fahefan’ny mpanjaka.” Araka izany, dia mpiara-manjaka i Belsazara.

Azo heverina ho mpanjaka ve anefa ny mpiara-manjaka? Ny sary vongana mampiseho mpitondra fahiny iray hita tany avaratr’i Syria, tamin’ireo taona 1970, dia manazava fa nekena ny fiantsoana ny mpitondra iray hoe mpanjaka, na dia anaram-boninahitra ambany kokoa aza no nananany, raha ny marina. Sary vongana nampiseho ilay mpanapaka an’i Gozana ilay izy, ary voasoratra tamin’ny fiteny asyrianina sy aramianina. Niantso an’ilay lehilahy hoe governoran’i Gozana, ilay soratra asyrianina, fa ilay soratra aramianina mifanitsy amin’izany kosa dia niantso azy hoe mpanjaka. Koa tsy zava-baovao àry ny niantsoana an’i Belsazara hoe mpandimby ny andriamanjaka, tao amin’ireo soratra ofisialy babylonianina, ary hoe mpanjaka kosa, tao amin’ny asa soratra aramianin’i Daniela.

Nitohy hatrany amin’ireo andro farany ho an’ny Empira babylonianina ilay fandaharam-pitondrana niarahan’i Nabonida sy i Belsazara. Tamin’ilay alina nianjeran’i Babylona indrindra àry no nilazan’i Belsazara ny hanaovana an’i Daniela ho mpitondra fahatelo tao amin’ny fanjakana, fa tsy faharoa. — Daniela 5:16.

Mpanjaka mpisolo toerana natoky tena tafahoatra sy nieboebo

Mampiseho tsara ny nahandriana natoky tena tafahoatra sy nieboebo an’i Belsazara, ireo fisehoan-javatra farany tamin’ny fotoana nanjakany. Tamin’ny fotoana nifaranan’ny fitondrany ny 5 Oktobra 539 al.f.i., dia niafina tany Borsippa i Nabonida, taorian’ny nandresen’ny tafika medianina sy persanina azy. Natao fahirano koa i Babylona. Nilamin-tsaina erỳ anefa i Belsazara tao amin’ilay tanàna voahodidin’ireo manda goavana, hany ka nanao “fanasana lehibe ho an’ny mpanolo-tsainy arivo lahy” izy, tamin’io alina io indrindra. Nilaza i Hérodote, mpahay tantara grika tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i. fa ny olona tao amin’ilay tanàna dia “nandihy tamin’izay fotoana izay, sady nifaly”.

Niambina tsara kosa anefa ny tafika medianina sy persanina, tany ivelan’ny mandan’i Babylona. Noho ny toromarika nomen’i Kyrosy, dia navilin’izy ireo ny ranon’ny Ony Eofrata izay namakivaky teo afovoan’ilay tanàna. Vonona ny hiroboka tao amin’ny fanambanin’ny ony ireo miaramilany, raha vantany vao ampy ny fihenan’ny rano. Hianika ilay toerana misolampy izy ireo ary hiditra ao an-tanàna, amin’ireo vavahady varahina mivoha eo amin’ny manda manamorona ny ony.

Raha nanamarika ny zava-niseho tany ivelan’ny tanàna i Belsazara, dia ho afaka nanidy ireo vavahady varahina, sy naniraka ny lehilahy natanjaka teo aminy hiakatra teny amin’ny manda nanamorona ny fanambanin’ny ony ka ho nahatra-tehaka ny fahavalo. Tsy izay no nitranga, fa noho ny herin’ny divay dia nasain’i Belsazara izay nieboebo nalaina kosa ny fitaovana tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Avy eo, dia nisotro tamim-pihaikana tamin’izany fitaovana izany izy mbamin’ireo olona nasainy, sy ny vadiny, ary ny vaditsindranony, sady nanome voninahitra an’ireo andriamanitra babylonianina. Tampoka teo, dia nisy fahagagana, ka niseho ny tanana iray izay nanomboka nanoratra teo amin’ny rindrin’ny lapa. Raiki-tahotra i Belsazara ka nampiantso an’ireo olon-kendriny mba hilaza ny hevitr’izany hafatra izany. Kanefa, ‘tsy nahavaky ny soratra ireo na nampahalala ny mpanjaka ny heviny’. Farany, dia “nampidirina teo anatrehan’ny mpanjaka” i Daniela. Noho izy nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra, dia nambaran’io mpaminanin’i Jehovah be herim-po io ny hevitr’ilay hafatra nahagaga, izay nilaza mialoha ny fianjeran’i Babylona teo an-tanan’ny Medianina sy ny Persanina. — Daniela 5:2-28.

Nalain’ny Medianina sy ny Persanina mora foana ilay tanàna, ary tsy maraina akory ny andro dia maty i Belsazara. Maty izy ary mazava fa nitolo-batana tamin’i Kyrosy i Nabonida. Izany no namarana ny Empira babylonianina.

[Sary, pejy 9]

Nilaza ny hevitr’ilay hafatra nanambara loza ho an’ny Empira babylonianina, i Daniela

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara