FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kemosy”
  • Kemosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kemosy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Moaba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mesa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ilay vato Moabita — Potika nefa tsy very
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Amonita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kemosy”

KEMOSY

(Kemôsy).

Ny andriamanitra lehibe indrindran’ny Moabita na “olon’i Kemosy.” (No 21:29; Je 48:46) Misy manam-pahaizana milaza fa i Kemosy ihany no Balan’i Peora, satria nivavaka tamin’izy io ny Moabita. (No 25:1-3) Nanao sorona ankizy ho an’i Kemosy ny mpivavaka taminy indraindray rehefa latsaka an-katerena.​—2Mp 3:26, 27.

Ahafantarana bebe kokoa ny fiheveran’ny Moabita an’i Kemosy ilay Vato Moabita (vatovy na bazalta mainty) natsangan’i Mesa mpanjakan’i Moaba, ho fahatsiarovana ny fikomiany tamin’ny Israely. Voalazan’izy io fa i Kemosy no nanome fandresena an’ireo Moabita, ary izy no nandidy azy ireo hiady. I Kemosy no nolazain’i Mesa fa nanafaka azy tamin’ny fampahorian’ny Israelita. Nihevitra koa izy fa tezitra tamin’ny taniny ilay andriamanitra, matoa nampijalin’i Omry mpanjakan’ny Israely ny Moabita.

Misy manam-pahaizana milaza fa diso i Jefta rehefa nilaza fa andriamanitry ny Amonita i Kemosy. (Mpts 11:24) Moabita foana mantsy no voalaza fa nivavaka tamin’i Kemosy. Nivavaka tamin’andriamanitra maro anefa ny Amonita. (Mpts 10:6) Mety ho samy nivavaka tamin’i Kemosy koa ny Amonita sy ny Moabita, satria firenena nifanakaiky izy ireo sady iray ihany no razambeny, dia i Lota zana-drahalahin’i Abrahama.

Tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka no nanomboka nivavaka tamin’i Kemosy ny Israely. Nampirisihin’ireo vadiny moabita mantsy i Solomona hanorina toerana avo ho an’i Kemosy “teo amin’ilay tendrombohitra nanandrify an’i Jerosalema.” (1Mp 11:1, 7, 8, 33) Nozimbazimbain’i Josia io toerana avo io mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony, 300 taona mahery tatỳ aoriana, rehefa niezaka namerina ny fivavahana marina izy.​—2Mp 23:13.

Naminany i Jeremia fa hisy loza hanjo an’i Moaba, ka hatao sesitany i Kemosy ilay andriamanitra lehibe indrindra sy ny mpisorony ary ny andrianany. Tsy hahavita na inona na inona ilay andriamanitra ka ho menatra noho ny aminy ny Moabita, toy ny nahamenatra ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely noho ny amin’i Betela, izay toerana nivavahana tamin’ny zanak’omby.​—Je 48:7, 13, 46.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara