FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kinereta”
  • Kinereta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kinereta
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Genesareta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Galilia, Ranomasin’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Galilia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Araba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kinereta”

KINERETA

(Kinerèta).

1. Tanàna voaro mafin’i Naftaly. (Js 19:32, 35) Maro no mihevitra azy io ho i Kirbet el-ʽOreimeh (Tel Kinerot). Maherin’ny 3 km any atsimoandrefan’i Kapernaomy no misy azy io, eo amin’ny dongon-tany iray ahatazanana ny ilany avaratrandrefana amin’ny Ranomasin’i Galilia. Hita eo amin’ny rindrin’ny tempoly ao Karnak any Thèbes ny hoe Kinereta, ao amin’ny lisitr’ireo tanàna kananita resin’i Thoutmosis III (izay lazain’ny mpahay tantara fa nanjaka tamin’ny taonjato faha-16 T.K.).

2. Faritra tany Israely izay nasain’i Asa mpanjakan’ny Joda (t. 962 T.K.) notafihin’i Beni-hadada I, mpanjakan’i Syria. (1Mp 15:20; ampit. 2Ta 16:4.) Ny Lemak’i Genesareta izay mahavokatra be matetika no tiana holazaina amin’ny hoe “Kinereta manontolo.”

3. Anaran’ny Ranomasin’i Galilia taloha. (No 34:11) Misy milaza fa noho io farihy io miendrika harpa no nahatonga an’ilay anarana. Kinnôhr mantsy no teny hebreo midika hoe harpa. Ranomasin’i Galilia, na Ranomasin’i Tiberiasy, na koa Genesareta (anarany amin’ny teny grika) no niantsoana azy io tamin’i Jesosy teto an-tany.​—Lk 5:1; Jn 6:1.

Anisan’ny sisin-tanin’ny Tany Nampanantenaina io farihy io (No 34:11), sady teo amin’ny ilany andrefana amin’ny sisin-tanin’ny fanjakan’i Oga, mpanjakan’ny Amorita. Taorian’ny fanafihan’ny Israelita dia lasa anisan’ny sisin-tanin’ny fokon’i Gada teo amin’ny ilany andrefana izy io. (De 3:16, 17; Js 13:24-27) Ny “lemaka karakaina [heb.: ʽaravah] atsimon’i Kinereta” dia azo inoana fa ilay ampahan’ny Lohasahan’i Jordana any atsimon’ny Ranomasin’i Galilia, izay antsoina koa hoe Ghor.​—Js 11:2; jereo GALILIA, RANOMASIN’I.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara