FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Genesareta”
  • Genesareta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Genesareta
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Genesareta — ‘Mahatalanjona sady kanto’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Kinereta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Manodidina ny Ranomasin’i Galilia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Galilia, Ranomasin’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Genesareta”

GENESARETA

(Genesarèta).

1. Tany lemaka kely somary miendrika telolafy, teo amin’ny morony avaratrandrefan’ny Ranomasin’i Galilia. Tokotokony ho 5 km ny lafiny iray ary 2,5 km ny lafiny hafa. Nanao asa fanasitranana mahagaga i Jesosy Kristy tany amin’iny faritra iny. (Mt 14:34-36; Mr 6:53-56; SARY, Boky Faha-2, p. 739) Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa tsara tarehy io tany lemaka io, namokatra be, ary ampy rano, ka nahitana noaie (hazo mamoa voa toy ny voanjo), palmie, oliva. Nilaza koa izy fa nisy aviavy sy voaloboka foana tany nandritra ny folo volana tao anatin’ny taona.​—Ny Adin’ny Jiosy, III, 516-521 (x, 8).

2. “Farihin’i Genesareta” koa no niantsoana ny Ranomasin’i Galilia. (Lk 5:1) Misy manam-pahaizana mihevitra fa mety ho teny grika mifanitsy amin’ilay anarana hebreo fahiny hoe Kinereta ny hoe Genesareta.​—No 34:11; jereo GALILIA, RANOMASIN’I.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara