AKOHOLAHY
[Gr.: alektôr].
Ny lahy amin’ny akoho. Ompian’olona hatraiza hatraiza ny akoho (Gallus domesticus), ka mahazatra ny mahita akoholahy miedinedina famindra. Marevaka ny lokon’ny volony, lava mifaingoka ny volom-bodiny, mena ny sangany, ary misy tretraka mena roa mikiraviravy eo ambanin’ny vavany sy tendany.
Tsy miresaka akoholahy ny Soratra Hebreo. Miresaka akoho maneno kosa ny Soratra Grika Kristianina (jereo MANENO AKOHO), indrindra fa ny faminanian’i Jesosy hoe handa azy i Petera. Tanteraka izany ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, araka ny fitantaran’ny Filazantsara efatra.—Mt 26:34, 74, 75; Mr 14:30, 72; Lk 22:34, 60, 61; Jn 13:38; 18:27.
Milaza ny Mishnah jiosy (Bava Kamma 7:7) fa mety handoto ny akoho amam-borona, ka tsy tokony hompian’ny Jiosy. Ny raby kosa milaza fa niompy an’ireny ny Jiosy sy Romanina. Nahitana tombo-kase vita tamin’ny oniksa tany akaikin’i Mizpa. Misy sarin’akoholahy sy soratra hoe “an’i Jazania mpanompon’ny mpanjaka” izy io. Ilay Jazania resahin’ny 2 Mpanjaka 25:23 sy Jeremia 40:8 ilay Jazania eo, hoy ny sasany. Raha marina izany, dia efa nisy niompy akoho tany Israely tamin’ny taonjato fahafito T.K. Misy sarin’akoholahy koa ny vakim-bilany nofongarina tany Gibeona fahiny.
Niresaka reniakoho sy ny zanany ary atody i Jesosy tao amin’ny fanoharany. Fantatry ny mpihaino azy tsara àry ny akoho.—Mt 23:37; Lk 11:12; 13:34; jereo RENIAKOHO.