FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Biby Mandady”
  • Biby Mandady

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Biby Mandady
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Biby
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Biby Manidina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Biby Mifanaretsaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Antrendry
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Biby Mandady”

BIBY MANDADY

1. Midika hoe “mandady” na “mihetsiketsika” ny matoanteny fototenin’ny hoe remes (heb.). (Ge 1:21, 28) Mirenireny kosa no dikany, hoy ny diksionera hebreo-aramianina nataon’i Koehler sy Baumgartner. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 895; ampit. Ha 1:14.) Toa azo ilazana biby isan-karazany ny hoe remes, izay nadika hoe “biby mandady” ao amin’ny Baiboly, mba hanavahana azy amin’ny bibidia sy biby fiompy, vorona, ary trondro. (Ge 1:24, 25; 6:7, 20; 7:14, 23; 8:17, 19; 9:3; Ezk 8:10; 38:20) Mety ho anisan’ny remes koa ny biby hafa, na an-tanety na an-dranomasina, izay tsy ao anatin’ireo sokajy lehibe ireo.​—Sl 104:25.

Momba “ny bibidia sy ny biby manidina sy ny biby mandady ary ny trondro” ny sasany tamin’ireo ohabolana 3000 nataon’i Solomona mpanjaka hendry. (1Mp 4:33; ampit. Oh 30:19, 24-28.) Nisy fifanekena natao tamin’ny bibidia sy ny voro-manidina ary ny biby mandady amin’ny tany (Ho 2:18), ary anisan’ny zavaboary midera ny Mpamorona izy ireny (Sl 148:10).

Herpetôn (gr.) no mifanitsy amin’ny hoe remes (heb.), ary ilazana biby mandady izy io matetika. Nampiasa azy io ilay nitantara momba ny fahitana hitan’i Petera tao Jopa (As 10:12; 11:6), sy Paoly tamin’izy niresaka fanompoan-tsampy (Ro 1:23), ary Jakoba tamin’izy niresaka an’ireo biby azon’ny olona folahina.​—Jk 3:7.

2. Avy amin’ny matoanteny hoe zahal (“misosa”) ny teny hebreo nadika koa hoe biby mandady, izay biby mangatsia-dra, misy hazondamosina, ary mifoka rivotra. Anisan’ny loza hanjo ny Israely nanompo sampy ny “poizin’ny biby mandady amin’ny vovoka”, izany hoe ireo bibilava misy poizina. (De 32:24; ampit. Je 8:17.) Hipararetra hivoaka avy ao amin’ny manda fiarovana, toy ny biby mandady, ny firenena hampisehoan’Andriamanitra ny heriny.​—Mi 7:17.

Ankoatra ny bibilava, dia anisan’ny biby mandady resahin’ny Baiboly koa ny tanalahy, katsatsaka, ary androngo hafa.​—Jereo ny lahatsoratra manazava azy tsirairay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara