FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Dalmatia”
  • Dalmatia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Dalmatia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilyrikiona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Titosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Titosy — ‘Mpiara-miasa ho Fanasoavana Anareo’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-56 — Titosy
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Dalmatia”

DALMATIA

(Dalmatìa).

Toerana tany amin’ny faritra be tendrombohitra tany atsinanan’ny Ranomasina Adriatika tany amin’ny Saikinosy Balkanika. Dalmatia no niantsoana ny tapany atsimo indrindra tamin’i Ilyrikiona, faritany romanina. Taorian’ny taona 9, rehefa lasa faritany nitokana i Dalmatia, dia matetika no sady nantsoina hoe Ilyrikiona ilay faritra no nantsoina hoe Dalmatia, ary izany tamin’ny farany no anaran’ilay faritany vaovao. Nankany Dalmatia i Titosy, naman’i Paoly, taloha kelin’ny namonoana ho faty an’ilay apostoly, angamba tamin’ny taona 65 tany ho any. (2Ti 4:6-10) Milaza io andininy io fa “nandao” an’i Paoly i Demasy, ary nankany Dalmatia i Titosy. Tsy voalaza mazava tsara ny anton-dian’i Titosy tany, kanefa toa nankasitraka izany i Paoly. Sivy taona teo ho eo talohan’izay, dia nilaza i Paoly fa tonga nitory hatrany avaratra tany Ilyrikiona izy, rehefa nadiva hifarana ny dia misionera fahatelo nataony. (Ro 15:19) Misy àry manam-pahaizana mihevitra fa tamin’io fotoana io i Titosy no nirahina tany, mba handamina raharaha teo anivon’ny fiangonana sy hanao ny asa misionera. Raha izany no izy, dia nanao zavatra mitovy tamin’izay nataony tany Kreta ihany izy. (Tit 1:5) Nanoratra ho an’i Titosy i Paoly ary niangavy azy hiala tany Kreta. (Tit 3:12) Toa niaraka tamin’ilay apostoly foana izy mandra-pahatongan’ny fotoana nanirahana azy ho any Dalmatia.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara