FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Damaskosy”
  • Damaskosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Damaskosy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Syria—Mbola Ahitana Taratry ny Lasa Iray Mahaliana
    Mifohaza!—2003
  • Beti-edena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Notoherina i Saoly Satria Nitory
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Beni-hadada
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Damaskosy”

DAMASKOSY

(Damaskòsy).

Tanàn-dehibe fahiny tany Syria. Eo am-pototry ny Tandavan-tendrombohitra Amana no misy an’i Damaskosy (esh-Sham na Dimashk ankehitriny), ary ny Tany Efitra Arabo Syrianina no eo atsinanany. (To 7:4) Ny Tendrombohitra Hermona (2814 m) kosa no eo atsimoandrefany. Io no farany atsimo amin’ilay tandavan-tendrombohitra, ary rakotra ranomandry ny tendrony.

Somary ngazana ireo tehezan-tendrombohitra eo andrefan’i Damaskosy. Soa ihany anefa fa misasasasa avy eo anelanelan’ireo tendrombohitra ny rano mangatsiatsiakan’ny Reniranon’i Barada (ilay Abana resahin’ny 2Mp 5:12), ka mikoriana mankeo amin’ilay lemaka misy an’ilay tanàna. Io rano io no anondrahana ireo tanimboly eo amin’ilay lemaka, izay mirefy 16 km eo ho eo ny sakany ary 48 km ny lavany. Lonaka sy maitso mavana àry ilay lemaka. Be rano ny tanànan’i Damaskosy, ka nanjary toerana fandalovan’ny tafika sy lalana fivezivezen’ny entam-barotra avy any amin’ireo firenena atsinanan’i Mediterane sy Mezopotamia ary Azia. Voatery nandalo tao Damaskosy koa ireo niara-nanao dia lavitra avy any amin’ny morontsirak’i Mediterane na handeha ho any, satria tsy nisy lalan-kafa azo naleha ankoatra an’ilay lalana eo anelanelan’ireo Tandavan-tendrombohitra Libanona sy Amana (Anti-Liban ankehitriny).

Misy lalankely manapaka eo amin’ny Tandavan-tendrombohitra Amana, eo avaratrandrefan’i Damaskosy. Nifandray tamin’ilay lalambe namakivaky an’i Cœlésyrie (Bekaʽ) izy io. Nianatsimo nankany Hazora ilay lalambe, nidina nanaraka ny sisiny andrefan’ny Ranomasin’i Galilia, namakivaky ny Lemak’i Megido hatrany amoron-tsiraka, ary nianatsimo nankany Filistia sy Ejipta. Nisy lalana koa teo atsinanan’ny Tandavan-tendrombohitra Amana. Avy teo Damaskosy izy io no nianatsimo nankany Hazora, ary avy eo nianavaratra nankany Hamata sy Alep ary Karkemisy. Avy teo Damaskosy koa ilay lalana nalaza nantsoina hoe Lalamben’ny Mpanjaka (ampit. No 21:22), no nianatsimo nanaraka ny sisin’ilay lembalemba atsinanan’i Jordana, ary nidina nankany amin’ny Ranomasina Mena sy ny Saikinosin’i Arabia. Nandeha tamin’ireo lalana ireo ny tafik’i Ejipta, Asyria, Babylona ary Persa. Ireo niara-nanao dia lavitra ho any Mezopotamia kosa niainga avy tao Damaskosy, niantsinanana nankany Tadmora, ary avy eo nankany amin’ny faritr’i Eofrata.

Mirefy 700 m eo ho eo ambonin’ny haabon’ny ranomasina ny haavon’ilay lembalemba misy an’i Damaskosy. Mahafinaritra ny toetany any, satria 7o C eo ho eo ny mari-pana rehefa ririnina ary 29o C rehefa vanin-taona mafana. Lonaka be ilay tany, ary mamokatra oliva, aviavy, paiso, ary voamadinika isan-karazany. Ny varotra anefa no tena nampandroso an’ilay tanàna. Tao koa no foibe ara-barotr’ireo foko mpifindrafindra monina. Nilaza i Ezekiela mpaminany fa ‘nifanao raharaham-barotra’ tamin’i Tyro i Damaskosy. Azo inoana fa natakalony divay avy any Helbona teo akaiky teo sy volonondry volondavenona somary mena ny entana avy tany Tyro. (Ezk 27:18) Nampanantena an’i Ahaba i Beni-hadada II fa hanome azy “arabe” tany Damaskosy renivohitr’i Syria. Tian’i Ahaba hasiana tsena angamba izy ireny mba hampandrosoana ny varotra nataony tany.​—1Mp 20:34.

Tantarany. Tsy fantatra ny niandohan’ny tantaran’i Damaskosy. Milaza i Josèphe (Rakitry ny Ela Jiosy, I, 145 [vi, 4]) fa i Oza, zanakalahin’i Arama sy zafikelin’i Sema, no nanorina an’ilay tanàna. Izany koa no resahin’ny lovantsofina jiosy. Asehon’ny porofo anefa fa tany atsimo kokoa no nanorim-ponenana ny taranak’i Oza. (Ge 10:21-23; jereo OZA No. 9.) Toa nandalo tao Damaskosy na teny akaikiny i Abrahama, tamin’izy nankany amin’ny Tany Nampanantenaina. “Avy any Damaskosy” i Eliezera mpanompony. (Ge 15:2) Nenjehin’i Abrahama hatrany Hoba, tany avaratr’i Damaskosy, ireo mpanjaka namabo an’i Lota zana-drahalahiny.​—Ge 14:1-16.

Niady tamin’i Israely. Tsy niresaka momba an’i Damaskosy intsony ny Baiboly, raha tsy efa ho 1 000 taona tatỳ aoriana. Voalaza fa niady tamin’ny firenen’Israely izy io. Foiben’ny iray tamin’ireo fanjakana aramianina tany Syria i Damaskosy tamin’izay. Tonga nanampy an’ilay mpanjakan’i Zoba resin’i Davida “ny Syrianina avy any Damaskosy.” Resin’i Davida koa ny Syrianina, ka nametrahany toby miaramila tany Damaskosy ary nampandoaviny hetra ilay tanàna. (2Sa 8:3-6; 1Ta 18:5, 6) Nandositra avy tany Zoba, fanjakana aramianina, ny lehilahy iray natao hoe Rezona. Nanandra-tena ho mpanjakan’i Damaskosy izy tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka. Nankahala ny Israely izy, ka tsy nitsahatra nanafika azy.​—1Mp 11:23-25.

Nanao fifanekena tamin’i Basa mpanjakan’ny Israely tany avaratra i Beni-hadada I, mpanjakan’i Damaskosy. Nivadika tamin’ilay fifanekena anefa izy rehefa nahazo tsolotra tamin’i Asa mpanjakan’ny Joda (977-937 T.K.), ka notafihiny ny tanin’ilay namany taloha. (1Mp 15:18-20; 2Ta 16:2-4) Nitarika mpanjaka 32 koa i Beni-hadada II mpandimby azy, mba hanafika ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Resy anefa izy. Mbola nanafika indray izy avy eo niaraka tamin’ny governora 32, kanjo mbola resy ihany. (1Mp 20:1, 16-34) Voasambotra izy nefa nafahan’i Ahaba Mpanjaka (t. 940-920 T.K.). Niady tamin’ny Israely sy Joda tao Ramota-gileada indray izy, tatỳ aoriana. Nandresy izy ary maty i Ahaba. (1Mp 22:29-37) Nitady haka an’i Samaria izy tamin’ny andron’i Jorama mpanjakan’ny Israely (t. 917-905 T.K.), saingy resy tamin’ny fomba mahagaga.​—2Mp 6:24; 7:6, 7.

Nankany Damaskosy i Elisa mpaminany mba hanatanteraka ilay iraka nampanaovina an’i Elia, izay nodimbiasany. Nilaza izy fa i Hazaela no handimby an’i Beni-hadada II, mpanjakan’i Syria. (1Mp 19:15; 2Mp 8:7-13) Talohan’ny nahafatesan’i Beni-hadada, dia ny tanànan’i Damaskosy no tena nanohitra ny Fanjakana Asyrianina, izay nikendry ny hifehy ny faritr’i Mediterane. Nataon’ny Asyrianina lasibatra anefa i Damaskosy, satria nandalo tao ilay lalambe avy tany Mezopotamia nankany amin’ny faritr’i Mediterane. Niray dina tamin’ireo fanjakana nanodidina i Damaskosy, ka nahatohitra an’ireo fanafihana nifanesy nataon’i Salmanesera III, mpanjakan’i Asyria. Nandrombaka ny fanjakana tany Syria i Hazaela, araka ny soratra nataon’i Salmanesera. Niadian’i Salmanesera izy, ary tsy navelany hivoaka tao Damaskosy. Nataon’i Salmanesera fahirano koa ilay tanàna saingy tsy azony.

Namely an’i Israely foana i Hazaela, mpanjakan’i Damaskosy. (2Mp 10:32) Nitariny hatrany Gata, tanàna filistinina, ny fanjakany. Nanafika an’i Joda mihitsy aza izy, ary nandrahona an’i Joasy Mpanjaka (898-859 T.K.). Nanome fanomezana be dia be ho an’ny Syrianina àry i Joasy, mba tsy hanafihany an’i Jerosalema. (2Mp 12:17, 18; 13:3, 22; 2Ta 24:23, 24) I Beni-hadada III no nandimby an’i Hazaela. Tsy afaka nifehy loatra an’i Israely anefa izy, satria resin’i Joasy mpanjakan’ny Israely (t. 859-845 T.K.) intelo i Syria. (2Mp 13:24, 25) I Jeroboama II, mpanjakan’ny Israely (t. 844-804 T.K.) kosa tonga “hatreo amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata” tany Syria. ‘Nampody an’i Damaskosy sy Hamata tamin’ny Joda sy Israely’ izy. (2Mp 14:23-28) Midika angamba izany fa nampandoaviny hetra toy ny tamin’ny andron’i Solomona ireo fanjakana ireo.​—1Mp 4:21.

Nomelohin’i Jehovah. Lasa “lohan’i Syria” indray i Damaskosy, 100 taona tatỳ aoriana. (Is 7:8) Niray dina tamin’i Peka mpanjakan’ny Israely i Rezina mpanjakan’i Damaskosy, ka namakivaky an’i Joda ary tonga hatrany Elata eo amin’ny Hoalan’i ʽAkaba, tamin’ny andron’i Ahaza mpanjakan’ny Joda (761-746 T.K.). Natahotra be i Ahaza ka nanome tsolotra an’i Tiglato-pilesera III, mpanjakan’i Asyria, mba hamonjeny azy teo am-pelatanan’i Syria. Avy hatrany dia notafihin’ny Asyrianina sy nobaboiny i Damaskosy, novonoiny i Rezina, ary nataony sesitany ny ankamaroan’ny mponina tao. (2Mp 16:5-9; 2Ta 28:5, 16) Tanteraka àry ny faminanian’i Jehovah nampilazainy an’i Isaia sy Amosa. (Is 8:4; 10:5, 8, 9; Am 1:3-5) Naka tahaka an’ilay alitaran’ny mpanompo sampy hitany tao Damaskosy anefa i Ahaza, rehefa avy nihaona tamin’i Tiglato-pilesera (sy nanome voninahitra azy angamba) tany. Nanao sorona teo amboniny “ho an’ireo andriamanitr’i Damaskosy” izy tatỳ aoriana.​—2Mp 16:10-13; 2Ta 28:23.

Tsy nandrahona an’i Israely intsony i Damaskosy taorian’izay. Nihena ny herin’ny tafiny, nefa nandroso be indray ny varotra tany, araka ny faminanian’i Ezekiela. (Ezk 27:18) Na dia noderaina fatratra aza i Damaskosy taloha, dia efa nilaza i Jeremia fa hitebiteby izy io rehefa mahare vaovao ratsy avy any Hamata sy Arpada any avaratr’i Syria. Reny mantsy hoe resin’ny tafik’i Nebokadnezara Babylonianina ireo fanjakana aramianina. (Je 49:23-27) Tsy ho afa-maina koa i Damaskosy, ilay ravaky ny tany efitra. Nomelohin’i Zakaria mpaminanin’i Jehovah indray izy io, tao amin’ilay faminaniana nosoratany tamin’ny 518 T.K. Azo inoana fa tanteraka ilay faminaniana rehefa nibodo an’i Syria sy Fenisia i Aleksandra Lehibe, taorian’ny fandreseny tao Issus tamin’ny 333 T.K.​—Za 9:1-4.

I Antiokia fa tsy i Damaskosy intsony no renivohitry ny faritanin’i Syria, tamin’ny andron’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus. Lasan’i Areta III, mpanjaka arabo nabateanina i Damaskosy tamin’ny 85 T.K. Resin’i Roma i Syria manontolo tamin’ny 64-63 T.K., ary lasa tanàna romanina i Damaskosy hatramin’ny 33 A.K. Nilaza i Pline (Romanina mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany) fa anisan’ireo tanàna folo natao hoe Dekapolisy izy io.

Tamin’ny taonjato voalohany. Nisy synagoga jiosy maromaro tao Damaskosy, rehefa nankany i Saoly avy any Tarsosy mba hanenjika ny Kristianina. (As 9:1, 2) Azo inoana fa nofehezin’i Areta Faha-4 mpanjaka nabateanina izy io tamin’izany, ary governora no nitondra tao. (2Ko 11:32, 33) Notantanana nankao amin’ny trano iray teo amin’ny lalana atao hoe Imahitsy i Saoly, taorian’ny niovany finoana. (Jereo IMAHITSY.) Nitory kelikely tao amin’ireo synagoga tao Damaskosy i Paoly (Saoly). Nisy nitetika ny hamono anefa izy ka voatery nandositra teo am-baravarankelin’ny manda, indray alina.​—As 9:11, 17-25; 26:20; Ga 1:16, 17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara