BENI-HADADA
(Beni-hadàda) [Zanakalahin’i Hadada].
Anarana mpanjaka telo tany Syria resahin’ny Baiboly. Hadada no andriamanitry ny oram-baratra, izay nivavahana eran’i Syria sy ireo faritra nanodidina azy.
1. Zanak’i Tabrimona sy zafikelin’i Heziona i Beni-hadada, ilay mpanjakan’i Syria resahin’ny Baiboly voalohany. Efa nanao fifanekena tamin’i Basa mpanjakan’ny Israely izy. Nanome tsolotra azy anefa i Asa mpanjakan’ny Joda, mba hanafoanany an’ilay fifanekena ka hanafihany ny fanjakana tany avaratra. Natahotra mantsy i Asa rehefa nanamafy ny tanànan’i Rama teo avaratra kelin’i Jerosalema i Basa. Nomen’i Asa ny zava-tsarobidy tao an-tranon’ny mpanjaka sy tao amin’ny tempoly àry i Beni-hadada, ka notafihiny ny Israely sy ny tanàna maromaro tao amin’ny faritanin’i Naftaly sy tany amin’ny faritry ny Ranomasin’i Galilia. Voatery niala i Basa ka niverina tany Tirza renivohiny (1Mp 15:16-21; 2Ta 16:1-6), tamin’ny 962 T.K. (azo inoana fa ny taona faha-36 taorian’ny nizaran’ilay fanjakana tamin’ny 997 T.K., ilay “taona fahenina amby telopolo” resahin’ny 2 Tantara 16:1).—Jereo ASA, I No. 1.
2. Niara-belona tamin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely (t. 940-920 T.K.) ilay mpanjaka syrianina faharoa antsoina hoe Beni-hadada. Nitarika mpanjaka 32 nofeheziny i “Beni-hadada mpanjakan’i Syria” mba hanafika an’i Samaria, dimy taona teo ho eo talohan’ny nahafatesan’i Ahaba. Nataon’izy ireo fahirano ilay tanàna ary nasainy nitolo-batana i Ahaba. (1Mp 20:1-6) Novorin’i Ahaba àry ny anti-panahy tao amin’ny taniny. Notoroan’izy ireo hevitra izy tsy hanaiky. Niomana hanafika àry ny miaramila syrianina, ary mbola nimamo tao an-trano rantsankazo i Beni-hadada sy ireo mpanjaka hafa. Tamin’izay no nanafika tampoka an’ireo Syrianina i Ahaba, araka ny toromarik’Andriamanitra, ka nandresy.—1Mp 20:7-21.
Nilaza tamin’i Beni-hadada ny mpanolo-tsainy fa “Andriamanitry ny tendrombohitra” i Jehovah, ka ho resy ny Israelita raha eny amin’ny tany lemaka indray no hiadiana. Notarihin’i Beni-hadada nankany Afeka àry ny tafiny ny taona nanaraka. Toa teo atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia io tanàna io. (Jereo AFEKA No. 5.) Nalamina indray ny tafika syrianina, ary nosoloana governora ireo mpanjaka 32 mpitari-tafika. Noheverina angamba fa hiray saina sy hanaraka baiko kokoa ny governora, ary mety ho te hisondrotra fa tsy toa an’ireo mpanjaka nahaleo tena kokoa. Tsy nandaitra anefa ireo torohevitra nomena an’i Beni-hadada. Efa nampiomanin’ny mpaminany iray sady nampian’i Jehovah Andriamanitra Mpanjakan’izao rehetra izao mantsy ny miaramila israelita, na dia vitsy kely aza. Resy tanteraka ny tafika syrianina, ary nandositra tany Afeka i Beni-hadada. Novotsoran’i Ahaba anefa ilay fahavalony rehefa nampanantena hoe: “Haveriko aminao ny tanàna nalain-draiko tamin-drainao. Ary hifidy arabe ho anao ianao any Damaskosy, toy ny nifidianan’ny raiko arabe tany Samaria.”—1Mp 20:22-34.
Misy milaza fa io Beni-hadada io ilay mpanjaka syrianina tamin’ny andron’i Basa sy Asa. Misy kosa milaza fa zanany na zafikeliny izy io. Raha i Beni-hadada I (tamin’ny andron’i Asa) ihany ilay Beni-hadada tamin’ny andron’i Ahaba sy Jorama (t. 917-905 T.K.), dia ho nanjaka 45 taona na mahery teo ho eo izy. Mety hitombina tokoa izany.
Misy kosa milaza fa tokony ho i Beni-hadada II ilay mpanjaka syrianina tamin’ny andron’i Ahaba, raha jerena ilay fampanantenan’i Beni-hadada tamin’i Ahaba voaresaka etsy aloha. (1Mp 20:34) Toa naka tanàna tamin’i Omry rain’i Ahaba mantsy ilay rain’i Beni-hadada. Raha i Beni-hadada I tamin’ny andron’i Basa anefa ilay naka an’ireo tanàna ireo, dia izy no rain’ilay Beni-hadada II tamin’ny andron’i Ahaba, na mpanjaka nodimbiasany. Mety ho mpanjaka nodimbiasan’i Ahaba koa, fa tsy rainy niteraka azy ilay hoe ‘rain’i’ Ahaba.—Jereo BELSAZARA.
Toa tamin’ny andron’i Omry ihany anefa no nakan’ny Syrianina an’ireo tanàna israelita, matoa i Beni-hadada niresaka an’i Samaria tamin’i Ahaba. I Omry mantsy no nanorina an’i Samaria, izay natao renivohitr’i Israely tatỳ aoriana. Angamba nokasaina hasiana tsena hampandrosoana ny varotra ireo “arabe.”
Tsy tena fantatra ny fotoana sy ny antony nakana an’ireo tanàna israelita. Mety ho hafa anefa ilay Beni-hadada tamin’ny andron’i Ahaba ka azo antsoina hoe Beni-hadada II, raha jerena ny porofo omen’ny Soratra Masina. Toa tsy naverin’i Beni-hadada tamin’ny Israely daholo ireo tanàna nalain-drainy. Nanao fifanekena tamin’i Josafata mantsy i Ahaba mba hakana indray an’i Ramota-gileada (atsinanan’i Jordana) tamin’ny Syrianina, tamin’ny taona farany nanjakany. Tsy nahomby anefa izy. Azo inoana fa i Beni-hadada II ilay “mpanjakan’i Syria” nandidy an’ireo “roa amby telopolo lahy, lehiben’ny kalesiny” mba tsy hiady afa-tsy amin’i Ahaba. (1Mp 22:31-37) Izy koa ilay mpanjaka naniraka an’i Namàna boka lehiben’ny tafiny, mba hositranin’i Elisa tamin’ny andron’i Jorama Mpanjaka. Nivavaka tamin’i Rimona andriamanitra (misy an’io anarana io ny anaran’i Tabrimona rain’i Beni-hadada I) ilay mpanjaka syrianina.—2Mp 5:1-19.
Mbola niady tamin’i Israely sy nandefa mpanafika tany foana i Beni-hadada, na dia sitrana aza ilay mpitari-tafiny. (2Mp 6:8; ampit. and. 23.) Nolazain’i Elisa mialoha tamin’ny mpanjakan’ny Israely foana anefa hoe aiza no lalan’ireo mpanafika. Nihevitra àry i Beni-hadada fa nisy mpamadika ny mpanompony. Farany, fantatr’ilay mpanjaka syrianina fa i Elisa no nilaza tamin’ny mpanjakan’ny Israely ny ‘zavatra nolazain’i Beni-hadada tao amin’ny efitra fatoriany.’ Naniraka tafika lehibe hisambotra an’i Elisa tany Dotana àry izy. Nataon’i Elisa jamba tamin’ny fomba mahagaga anefa ireo miaramila, ka nentiny nankany afovoan’i Samaria renivohitr’i Israely. Namindrana fo sy nafahana izy ireo, ka tsy nandroba tany Israely intsony ny Syrianina. Na izany aza, dia mbola nila ady foana i Beni-hadada.—2Mp 6:9-23.
Ny handresy ny fanjakana israelita no tanjon’i Beni-hadada. Nangoniny àry ny miaramilany rehetra ka nataony fahirano i Samaria. Nanjary nisy mosary lehibe tao an-tanàna. (2Mp 6:24-29) Nataon’i Jehovah nandre feon’ny tafika lehibe nanatona anefa ny Syrianina, indray takariva. Nihevitra izy ireo fa nokaramain’i Jorama hanampy azy ny Hetita sy ny Ejipsianina. Nitsoaka nankany Syria àry izy ireo iny takariva iny, ka navelany teo daholo ny fitaovany sy ny vatsiny.—2Mp 7:6, 7.
Narary teo am-pandriana i Beni-hadada II, tamin’i Elisa tao Damaskosy mba hamita an’ilay iraka nampanaovin’Andriamanitra an’i Elia. (1Mp 19:15) Nandefa fanomezana nentin’ny rameva 40 ho an’ilay mpaminany i Beni-hadada, ary naniraka an’i Hazaela hanontany azy raha ho sitrana izy na tsia. Namaly i Elisa hoe ho faty ilay mpanjaka ary i Hazaela no handimby azy. Novonoin’i Hazaela i Beni-hadada ny ampitson’iny, ary lasany ny fanjakana.—2Mp 8:7-15.
3. Zanakalahin’i Hazaela mpanjakan’i Syria. (2Mp 13:3) Azo inoana fa nampahory ny Israely sy namabo tanàna israelita i Beni-hadada III sy ny rainy, tamin’ny andron’i Joahaza (876-t. 860 T.K.). Notendren’i Jehovah ho “mpamonjy” ny Israely anefa i Joasy zanak’i Joahaza (t. 859-845 T.K.) sy Jeroboama II nandimby azy (t. 844-804 T.K.). (2Mp 13:4, 5) Resin’i Joasy intelo mantsy ny Syrianina, ka azony indray “ireo tanàna teo am-pelatanan’i Beni-hadada zanak’i Hazaela”, dia ireo tanàna ‘azon’i Beni-hadada teo am-pelatanan’i Joahaza.’ Tanteraka àry ny faminaniana farany nolazain’i Elisa. (2Mp 13:19, 23-25) Namonjy ny Israely koa i Jeroboama II zanak’i Joasy, satria resiny i Syria ka naveriny tamin’ny Israely ny sisin-taniny taloha. (2Mp 14:23-27) Mety ho tsy niara-belona tamin’i Jeroboama i Beni-hadada III, matoa tsy voaresaka tamin’ilay fandresen’i Jeroboama.
Nantsoin’i Amosa mpaminany (tamin’ny andron’i Jeroboama II) hoe “ny tilikambo fonenan’i Beni-hadada” ny lapan’ny mpanjaka tao Damaskosy. (Am 1:3-5; ampit. 2Mp 16:9.) Mbola izany ihany no nilazan’i Jeremia azy, 200 taona teo ho eo tatỳ aoriana.—Je 49:23-27.
Soratra fahiny miresaka an’i Beni-hadada. Nanoratra i Salmanesera III fa niady tamin’ny Syrianina izy. Hoy koa izy: “Maty i Hadadezera. I Hazaela, izay olon-tsotra (a.b.t.: tsy zanak’iza na iza) indray no lasa mpanjaka.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 280) Toa nantsoin’i Salmanesera III hoe “Hadadezera” (asyrianina: Adad-idri) àry i Beni-hadada II.
Ny Tsangambaton’i Zakir indray milaza fa nitarika mpanjaka syrianina maromaro i “Barhadad, zanak’i Hazaela mpanjakan’i Arama” mba hanafay an’i “Zakir, mpanjakan’i Hamata sy Loata.” Mbola porofo hitan’ny mpikaroka koa izany fa tena nisy i Beni-hadada III zanak’i Hazaela.—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 655.
Hita tamin’ny 1940 ny Tsangambaton’i Melkart, tany amin’ny 6 km eo ho eo avaratr’i Alep any amin’ny faritra avaratr’i Syria. Tsy tena mazava tsara ilay soratra eo, nefa ahitana hoe: “Tsangambato natsangan’i Barhadad ... ho an’i Melkart tompony.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 655) Tsy fantatra anefa raha i Beni-hadada I, II na III, na Beni-hadada hafa io Barhadad io.