FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Dedana”
  • Dedana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Dedana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Joksana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Letosima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Leomima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tema
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Dedana”

DEDANA

(Dedàna).

1. Kosita zanakalahin’i Rama. (Ge 10:7; 1Ta 1:9) Toa nanorim-ponenana tany Arabia ny taranany.

2. Taranak’i Abrahama avy tamin’i Joksana. (Ge 25:3; 1Ta 1:32) Toa nanorim-ponenana tany atsimo sy atsimoatsinanan’ny Tany Nampanantenaina ny taranak’i Dedana avy tamin’i Joksana. Mety ho tany amin’iny faritra iny koa no nasain’i Abrahama nalehan’ny zanany rehetra naterak’i Ketora.​—Ge 25:6.

Toa samy nipetraka tany Arabia na ny taranak’i Dedana avy tamin’i Rama na ny avy tamin’i Joksana. Tsy fantatra àry hoe iza ilay Dedana noresahin’ny Baiboly tatỳ aoriana. Mety ho ilay avy tamin’i Joksana anefa ilay izy, satria nisy ifandraisany tamin’ny firenena hafa taranak’i Sema, toa an’i Edoma, Tema, ary Boza. Voalaza, ohatra, fa tany amin’ny sisin-tanin’i Edoma (izay horavana) i Dedana. (Ezk 25:13) Voalaza koa fa handositra an’ireo mpanafika i Dedana, izay tany amin’ny “lemaka karakaina.” Handositra any anaty ala any amin’ny faritr’i Tema ireo olona niara-dia avy any Dedana. I Tema kosa hasaina hanome mofo sy rano ho azy ireo. (Is 21:11-15; Je 49:8) Tsy maintsy hisotro amin’ny kaopy misy ny divain’ny fahatezeran’i Jehovah koa anefa i Dedana, toa an’i Edoma ihany.​—Je 25:15, 21, 23.

Mihevitra ny manam-pahaizana fa teo el-Ola, tany lonaka any an-tany efitra, izay 120 km eo ho eo atsimoandrefan’i Taima, no nisy an’i Dedana.

Tsy fantatra hoe taranak’i Hama sa taranak’i Sema ilay Dedana resahin’ny andininy hafa. Voalazan’ny Ezekiela 27:15, 20, ohatra, fa nifanao raharaham-barotra tamin’i Tyro i Dedana. Te hahazo tamin’ny zavatra norobain’i Goga avy any Magoga tamin’ny vahoakan’Andriamanitra koa i Dedana.​—Ezk 38:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara