LEOMIMA
(Leomìma) [Firenena; Mponina].
Anarana miara-voatonona amin’ny hoe Asorima sy Letosima ao amin’ny Genesisy 25:1-3. Samy taranak’i Abrahama sy Ketora avy tamin’i Dedana izy ireo. Mety ho foko na firenena ny Leomima, satria amin’ny endriny milaza maro ilay teny hebreo miafara amin’ny im. Tsy tena fantatra anefa hoe iza marina io foko taranak’i Dedana io. Toa nipetraka tany Arabia, hono, izy io, angamba teny akaikin’ny faritra nomena an’i Dedana.—Jereo MIZRAIMA.