FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Dimona”
  • Dimona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Dimona
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Dibona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Dibona-gada
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Beti-gamola
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Moaba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Dimona”

DIMONA

(Dimòna).

1. Tanàna tany amin’ny faritra atsimon’i Joda, tany akaikin’ny sisin-tanin’i Edoma. (Js 15:21, 22) Misy milaza azy io ho ilay “Dibona” resahin’ny Nehemia 11:25, saingy tsy fantatra ny toerana tena nisy azy.

2. Toerana notononin’i Isaia tamin’izy nilaza ny loza hanjo an’i Moaba. Nolazainy fa ho “feno ra” ny ranon’i Dimona rehefa ho ripaka ny Moabita.​—Is 15:9.

Misy mpivaofy teny milaza hoe endrika hafa anoratana ny hoe Dibona (andininy faha-2) ny hoe Dimona, fa natao fotsiny izay itovizan’ny fanenon’ireo litera voalohany amin’izy io sy ny an’ilay teny hebreo manaraka azy hoe “dam” (ra), mba ho azo vakina hoe “feno dam ... i Dimona.” Manamafy izany ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. “Dibona” fa tsy “Dimona” mantsy no ao, eo amin’ny andininy faha-9. Nilaza koa i Jérôme fa toerana iray ihany no nantsoina hoe Dimona sy Dibona tamin’ny androny (t. 347-420).

Misy anefa milaza fa tsy mitombina ny hoe miseho amin’ny endriny roa samy hafa ny anaran’i Dibona ao amin’io faminaniana fohy io. Milaza koa izy ireo fa tsy nisy notononina indroa ireo anarana hafa ao amin’io faminaniana io. Ny porofo fanampiny aroson’izy ireo dia hoe tsy akaikin’ny “rano” lehibe i Dibona, ary lavitra be no misy an’i Arnona izay lohasaha falehan-driaka akaiky azy indrindra. Milaza àry izy ireo fa mety ho novan’ireo mpanao dika soratra hoe Dimona ny hoe Madmena. Niresaka an’io Madmena io i Jeremia tamin’izy nanameloka an’i Moaba. (Je 48:2) Maro no mihevitra an’io Madmena io ho i Dimna, tokotokony ho 4 km any andrefana avaratrandrefan’i Rabata-moaba eo amin’ny havoana iray ahatazanana ny ranon’i ʽAin el-Megeisil rehefa mitodika mianatsimoatsinanana.

Samy mbola iadian-kevitra anefa ireo rehetra ireo. Ilay filazana hoe i Dimona ihany no Madmena no toa mifanaraka kokoa amin’ilay fitantarana hoe nisy rano teo akaikin’izy io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara