FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Dotana”
  • Dotana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Dotana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Tafik’i Jehovah
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Elia sy Elisa Mpaminany
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mahita Kalesy Afo toa An’i Elisa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Elisa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Dotana”

DOTANA

(Dôtàna).

Tanàna iray voaresaka ao amin’ny tantara roa samy hafa ao amin’ny Baiboly. Misy milaza an’i Dotana ho i Tell Dotan (Tel Dotana), eo amin’ny havoana iray latsaka an-deboka eo anelanelan’ireo havoanan’i Samaria sy ny Tandavan-tendrombohitra Karmela, any amin’ny 16 km any avaratra avaratratsinanan’i Samaria.​—SARY, Boky 1, p. 950.

“Tany Dotana” i Josefa no nahita an’ireo rahalahiny sy ny andian’ondrin’izy ireo. Toa tany avaratr’i Dotana izy ireo, teo amin’ny kijana nolalovan’ny lalana nampitohy an’i Gileada (atsinanan’i Jordana) sy ny morontsirak’i Mediterane sy Ejipta. Mety ho io no lalana nandehanan’ireo “Ismaelita maromaro niara-dia”, izay nividy an’i Josefa.​—Ge 37:17-36.

Taonjato maro tatỳ aoriana, dia naniraka tafika lehibe tany Dotana ny mpanjakan’i Syria mba hisambotra an’i Elisa. Raiki-tahotra ny mpanompon’i Elisa. Nampahiratin’i Jehovah tamin’ny fomba mahagaga anefa ny masony, ka nanjary hitany ireo soavaly sy kalesy afo teny amin’ny “faritra be tendrombohitra manodidina an’i Elisa”, izany hoe teo amin’ilay havoana nisy an’i Dotana ihany na teo amin’ireo havoana teo atsinanana sy atsimo ary andrefan’i Dotana. (2Mp 6:11-17) Nitoby nanodidina an’ilay tanàna ny Syrianina, mety hoe teo amin’ireo havoana nanodidina ireo. Avy eny izy ireo no “nidina” rehefa nivoaka hitsena azy ireo i Elisa. Tsy nahavita na inona na inona anefa ireo fahavalo satria nanao fahagagana i Jehovah, ka lasa toy ny jamba ireo miaramila fahavalo. Tafik’anjely angamba no nasain’i Jehovah nanao izany.​—2Mp 6:18, 19; ampit. Ge 19:1, 10, 11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara