FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Doma”
  • Doma

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Doma
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • “Nianjera i Babylona!”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
  • Tsy maintsy tanteraka ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ismaelita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Seira
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Doma”

DOMA

(Doma).

1. Iray amin’ireo 12 lahy zanak’i Ismaela, ary ny anarany no voatonona fahenina. Zanak’olo-mpirahalahy i Doma sy Esao. Lasa zaodahin’i Esao i Doma, rehefa nanambady an’i Mahalota anabaviny i Esao. Mpiadidy sy lehibem-poko na mpitondra firenena koa i Doma, ka tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah tamin’i Abrahama.​—Ge 17:20; 25:14-16; 28:9; 1Ta 1:30.

Nampitondrain’i Doma Ismaelita ny anarany ilay faritra tany avaratr’i Arabia, teo anelanelan’ny Tany Nampanantenaina sy ny faritra atsimon’i Babylonia. Mbola nahitana an’ilay anarana koa ny anaran’ilay faritra lonaka any an-tany efitra atao hoe Domat el-Gandal (Al-Javf ankehitriny). Niresaka momba an’i Adommato “tany an-tany efitra” i Sankeriba, mpanjaka asyrianina. Nilaza koa i Esara-hadona fa resin’i Sankeriba rainy i Adomo.

2. Tanàna nomena ny fokon’i Joda, taorian’ny nandresen’i Josoa an’ilay tany. (Js 15:52) Tany amin’ny faritra be tendrombohitra no nisy azy io, ary maro no mihevitra azy io ho Kirbet Domeh ed-Deir (Douma), 15 km eo ho eo atsimoandrefan’i Hebrona.

3. Nomelohina i “Doma” ao amin’ny Isaia 21:11. Voatonona manarakaraka azy avy hatrany anefa i “Seira”, ka mety ho i Edoma ilay nomelohina. (Ge 32:3) Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo kosa manao hoe “Idomea” (ny tanin’ny Edomita) fa tsy hoe “Doma”, ao amin’ny Isaia 21:11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara