FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Emima”
  • Emima

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Emima
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Anakita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Refaima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Save-kiriataima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Anàka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Emima”

EMIMA

(Emìma) [Zavatra Mampahatahotra].

Foko na firenena nonina tany atsinanan’ny Ranomasina Maty. Voalaza fa mahery sy maro an’isa ary lava “toy ny Anakita” izy ireo. (De 2:10) Goavam-be sy mahery setra ny Emima, matoa nilaza tamin’ny Israely i Mosesy hoe: “Efa renao izay voalaza momba azy hoe: ‘Iza no mahatohitra ny taranak’i Anàka?’” (De 9:2) Tsy tena fantatra ny razamben’ireo Emima, na dia misy aza mihevitra fa avy amin’ny Refaima izy ireo.

Resin’i Kedorlaomera mpanjaka elamita ny Emima tao Save-kiriataima, tamin’ny andron’i Abrahama. (Ge 14:5) Toa mbola nonina tany atsinanan’ny Ranomasina Maty ihany ny Emima taorian’izay, matoa milaza ny Baiboly fa tatỳ aoriana izy ireo vao noroahin’ny Moabita niala tany. Nantsoin’ny Moabita hoe Emima koa ny Refaima.​—De 2:11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara