SAVE-KIRIATAIMA
(Savè-kiriatàima) [Toerana Mitovy Tantana any Kiriataima].
Toerana nandresen’i Kedorlaomera an’i Emima. (Ge 14:5) Toa tany lemaka teny akaikin’ny tanànan’i Kiriataima izy io. Tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana no nisy an’i Kiriataima, izay naorin’ny Robenita tatỳ aoriana, na naveriny naorina. (No 32:37; Js 13:15, 19) Misy mpahay jeografia milaza azy io ho tany akaikin’i Koraiyat, tokotokony ho 10 km any andrefana avaratrandrefan’i Dibona.