FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Emaosy”
  • Emaosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Emaosy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Kleopasy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Niseho Tamin’ny Olona Maro i Jesosy Efa Natsangana Tamin’ny Maty
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Arimatia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ireo fisehoana hafa koa
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Emaosy”

EMAOSY

(Emôsy).

Tanàna kely iray nandehanan’i Kleopasy sy ny mpianatra iray hafa. Teny an-dalana ho any izy roa lahy no niaraka taminy i Jesosy Kristy nitafy nofo, tamin’ilay andro nananganana azy tamin’ny maty. Tsy fantatr’izy ireo anefa i Jesosy raha tsy efa tonga tany Emaosy, ka “nandry ilika hiara-misakafo” taminy. Nanjavona i Jesosy avy eo. Nihazakazaka niverina tany Jerosalema iny hariva iny ihany àry izy mirahalahy. (Lk 24:13-33) Nilaza i Lioka fa 11 km (“enim-polo stadio”, Prot.) niala avy tany Jerosalema no nisy an’i Emaosy.

Tsy fantatra hoe taiza marina no nisy an’i Emaosy. Toerana enina anefa, fara fahakeliny, no naroso hoe mety ho nisy azy. I ʽImvas, eo amin’ny lalana mankany Tel Aviv-Yafo no be mpifidy indrindra. Tokony ho 175 stadio (32 km) any andrefana avaratrandrefan’i Jerosalema anefa no misy azy, izany hoe efa ho avo telo heny noho ilay halaviran-dalana voalazan’i Lioka. Be mpifidy koa i Kalonyah (Mevasseret Ziyyon), eo amin’ny lalambe mankany Tel Aviv-Yafo, ary heverina fa ilay Ammaous voalazan’i Josèphe. Tokotokony ho 35 stadio (6,5 km) miala an’i Jerosalema anefa izy io, ka akaiky loatra raha oharina amin’ny fitantaran’i Lioka. Aleon’ny olona sasany àry mifidy an’i El-Kobeiba, izay eo amin’ny lalana romanina any avaratra kokoa noho ireo toerana efa voalaza ireo. Misy tanàna rava ao, ary heverina fa efa nisy tamin’ny andro nanoratana ny Soratra Grika Kristianina izy io. Tokony ho 60 stadio (11 km) any avaratrandrefan’i Jerosalema no misy azy io, ka toa manaporofo izany fa io ilay tanàna kely lazain’ny Baiboly. Mbola tsy misy afaka milaza anefa hatramin’izao hoe taiza marina no tena nisy ilay tanàna.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara