KLEOPASY
(Kleôpàsy) [mety ho fanafohezana ny hoe Kleopatrosy, izay midika hoe “Ray Malaza”].
Iray tamin’ireo mpianatra roa lahy nankany Emaosy, tamin’ilay andro nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Samy tsy apostoly izy ireo. Nanatona azy ireo i Jesosy ka niara-dalana taminy, saingy tsy fantatr’izy ireo hoe i Jesosy io. Nanontaniany izy ireo hoe inona no niadiany hevitra. Namaly i Kleopasy hoe: “Vahiny mipetraka irery any Jerosalema angaha ianao no tsy mahalala ny zava-nitranga tany tato ho ato?” Nanazava andinin-teny maro tamin’izy ireo i Jesosy, ary avy eo nanao zavatra mba hahalalan’izy ireo azy. Taorian’izay, dia niverina haingana tany Jerosalema i Kleopasy sy ilay namany, fa tsy nahandry ny andro maraina, ary notantarain’izy ireo tamin’ny mpianatra hafa ireo zava-nitranga ireo. (Lk 24:13-35) Tsy tokony hafangaro amin’ilay anarana aramianina hoe Klopa ity anarana grika hoe Kleopasy ity.—Jn 19:25.