FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “En-dora”
  • En-dora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • En-dora
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Kisona, Lohasaha Falehan-driakan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nampandositra Tafika Nahery i Baraka Noho ny Finoany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Tanaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sisera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “En-dora”

EN-DORA

(En-dòra) [mety hidika hoe Loharanon’ny Taranaka].

Tanàna teo amin’ny lemak’i Isakara fa nomena ho an’i Manase. Tsy noroahina daholo ny Kananita tao fa nampanaovina asa an-terivozona. (Js 17:11-13) Maro no milaza an’i En-dora ho i Kirbet Safsafeh (Horvat Zafzafot), tokotokony ho 11 km any atsimoatsinanan’i Nazareta.

Nanonona an’i En-dora ny mpanao salamo rehefa niresaka momba ny nandresen’i Jehovah an’i Sisera. (Sl 83:9, 10) Marina fa tsy miresaka an’i En-dora ny Mpitsara toko faha-4 sy 5 rehefa mitantara an’io ady io, nefa azo inoana fa kilaometatra vitsivitsy tany atsimon’ny Tendrombohitra Tabara izay nidinan’ny tafik’i Baraka no nisy azy io. (Mpts 4:6, 12) Tany amin’ny faritr’i Tanaka sy Megido ary ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona izay nanaparitahan’Andriamanitra ny tafik’i Sisera koa no nisy azy io. (Js 17:11; Mpts 5:19) Tonga hatrany En-dora àry ilay ady matoa nolazain’ilay mpanao salamo fa ringana tany ireo Kananita nandositra. Fantatr’ilay mpanao salamo tsara mantsy ilay tantara sy ny toerana nitrangan’ilay ady.

Tena nampahalaza an’i En-dora ilay nankanesan’i Saoly Mpanjaka tany mba hanontany “vehivavy mahay mamoha angatra”, taloha kelin’ny nandresen’ny Filistinina ny Israely.​—1Sa 28:7; 31:1-13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara