FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Tanaka”
  • Tanaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tanaka
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Manase
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • En-dora
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Kisona, Lohasaha Falehan-driakan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Megido
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Tanaka”

TANAKA

(Tanàka).

Tanànan’ny fokon’i Manase, saingy tany amin’ny faritanin’i Isakara. (Js 17:11; 1Ta 7:29) Nomena ny Levita Kehatita izy io. (Js 21:20, 25) Resin’ireo Israelita notarihin’i Josoa ny mpanjakan’i Tanaka. (Js 12:7, 21) Tsy vitan’ny fokon’i Manase anefa ny nandroaka an’ireo Kananita nonina tao sy tany an-tanàna hafa. Nampanaovin’izy ireo asa an-terivozona kosa ireny Kananita ireny, tatỳ aoriana. (Mpts 1:27, 28) Resy tao Tanaka ny tafik’i Jabina, mpanjakan’i Hazora, izay notarihin’i Sisera, tamin’ny andron’i Baraka Mpitsara. (Mpts 5:19) I Tanaka dia tanàna tao amin’ny faritra niandraiketan’i Bana, izay anisan’ireo lehibem-paritra 12 mpamatsy sakafo ny tao an-dapan’i Solomona Mpanjaka. (1Mp 4:7, 12) Hita tamin’ny zavatra nofongarina tao sy tamin’ireo sary mivohitra eo amin’ny rindrin’ny tempoly ao Karnak, fa nalain’i Farao Sisaka ilay tanàna, tamin’izy nanafika an’i Palestina tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama, zanak’i Solomona nandimby azy.​—2Ta 12:2-4.

Maro no milaza an’i Tanaka ho i Tell Taʽanak, tokotokony ho 8 km any atsimo atsimoatsinanan’i Megido, ary eo amin’ny sisiny atsimon’ny Lemak’i Jezirela (ʽEmek Yizreʽel). Tena tsara toerana izy io satria roa, fara fahakeliny, ny lalambe fivezivezen’ny entam-barotra nandalo teo: Ny iray nankany amin’ny Lemak’i Ako ary ilay iray hafa nankany amin’ny Lemak’i Sarôna.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara