EN-EGLAIMA
(En-eglàima) [Loharanon’ny Zanak’omby Roa].
Toerana iray voaresaka ao amin’ny fahitan’i Ezekiela. Voalaza ao fa “ho sitrana” ny rano mangidy siran’ny Ranomasina Maty ka hitsangana eny amorony ny mpanjono, manomboka any En-jedy ka hatrany En-eglaima. (Ezk 47:8-10) Toerana eo akaikin’ny loharano i En-eglaima, raha jerena ny anarany. Ny ankamaroan’ny manam-pahaizana no milaza an’i En-eglaima ho i ʽAin Feshka, akaikin’ny zorony avaratrandrefana amin’ny Ranomasina Maty. Roa ny faritra lehibe lonaka any an-tany efitra, eo andrefan’ny Ranomasina Maty: I ʽAin Feshka sy ʽAin Jidi (ahitana an’ilay anarana hoe En-jedy), izay 29 km eo ho eo any atsimon’i ʽAin Feshka. Misy indray milaza an’i En-eglaima hoe teo atsimoatsinanan’ny Ranomasina Maty, teo akaikin’i Zoara. Nilaza toy izao i Y. Yadin, rehefa nandinika an’izay resahin’ny soratra fahiny momba ny faritr’i ʽAgaltain: “Mazava fa tany atsimoatsinanan’ny Ranomasina Maty no nisy ny ‘faritr’i ʽAgaltain’ ... Misy ifandraisany angamba i ʽAgaltain sy ilay En-eglaima ao amin’ny faminanian’i Ezekiela momba ny Ranomasina Maty (Ezk 47:10: ‘Hisy mpanjono maro hitsangana eny amorony, manomboka any En-jedy ka hatrany En-eglaima’). Raha izany no izy, dia izao no tian’io andininy io holazaina: Ho sitrana ilay Ranomasina manomboka eo amin’ny morontsiraka iray ka hatreny amin’ny morontsiraka eny ampita. Mazava tsara ilay sary. Tsy ilaina tadiavina eny amin’ny morony andrefana àry i En-eglaima (izay voalaza fa i Ain-Feshka), satria manjary voafetra ho an’ny morontsiraka andrefana ihany ny fahatanterahan’ilay fahitana.”—Gazety Momba ny Fizahana An’i Israely, Jerosalema, 1962, Boky Faha-12, p. 250, 251.