EFESA-DAMIMA
(Efèsa-damìma).
Toerana teo anelanelan’i Soko sy Azeka. Nitoby tao ny Filistinina, ary nanao dingan-dava niainga avy tao i Goliata mba haneso ny Israely. (1Sa 17:1, 4-10) Toa i Efesa-damima ihany ilay Pasy-damima resahin’ny 1 Tantara 11:13. Tsy tena fantatra ny toerana nisy azy io.