FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Erasto”
  • Erasto

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Erasto
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Korinto
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Timoty
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ireo Mpiara-miasa Tamin’i Paoly — Iza moa Izy Ireo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Tokotany Vato
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Erasto”

ERASTO

(Erastô) [Malala; Mahatehotia].

1. Kristianina nanompo an’i Paoly, tamin’ny dia misionera fahatelo nataony. Tamin’izy ireo tany Azia, dia nirahin’i Paoly hiaraka tamin’i Timoty hankany Makedonia izy. (As 19:22) Azo inoana hoe izy ilay Erasto nijanona tany Korinto, tamin’i Paoly nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty.​—2Ti 4:20.

2. Mpitantam-bolan’ny tanànan’i Korinto, ary anisan’ireo nanao mampamangy tao amin’ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Romanina. (Ro 16:23) Anisan’ny zavatra nofongarina tao Korinto tamin’ny 1929, ny soratra latinina voasokitra teo amin’ny lalana rarivato hitan’ny Profesora T. Shear. Toy izao ilay soratra: “Erasto, governora [sy] aedile [manam-pahefana], no niantoka ny lany tamin’ny fanamboarana an’ity lalana rarivato ity.” Voalaza fa efa tamin’ny taonjato voalohany io lalana rarivato io, ka asa raha izy ihany ilay Erasto voalazan’i Paoly, na tsia. Misy koa milaza fa niara-nanao dia lavitra tamin’i Paoly io mpitantam-bolan’ny tanàna io. (Jereo ERASTO No. 1) Asan’i Erasto taloha, hono, ny hoe mpitantam-bolan’ny tanàna matoa i Paoly niantso azy toy izany. Tsy ho vitany mihitsy mantsy ny hoe sady hanaraka an’i Paoly no hanao ny asan’ny mpitantam-bola.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara