LEHILAHY NOVOSIRINA
Avy amin’ny teny hebreo hoe saris sy ny teny grika hoe eonokôs, izay nadikan’ny Baiboly sasany hoe “ionoka” (Prot.). Tandapa voatendry hikarakara ny vadin’ny mpanjaka, ireo vadikeliny, ary ny vehivavy ny lehilahy novosirina. (Es 2:3, 12-15; 4:4-6, 9) Matetika no lasa nanana toerana ambony ireo nahay ny asany, satria nifanerasera tamin’ny fianakavian’ny mpanjaka. Manana heviny malalaka koa anefa ny hoe saris sy eonokôs ka midika hoe tandapa.
Tsy navelan’ny Lalàna hiditra ho anisan’ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra ny lehilahy novosirina. (De 23:1) Tsy nisy àry Israelita na mpivahiny novosirina mba hanompo tao an-dapan’ny mpanjaka israelita. Noforana fa tsy novosirina ny mpanompon’ny Israelita. Novosirin’ny firenena mpanompo sampy tany Atsinanana kosa ny ankizy sasany babo an’ady.
Eonokôs no ilazana an’ilay lehilahy nitorian’i Filipo. Niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy io lehilahy niadidy ny harenan’ny mpanjakavavin’i Etiopia io, ary tonga tany Jerosalema mba hanompo an’Andriamanitra. Tsy navelan’ny Lalàna hiditra ho anisan’ny fiangonan’Israely anefa ny olona novosirina. “Tandapa” àry izy fa tsy lehilahy novosirina. (As 8:26-39; De 23:1) Toa tsy lehilahy novosirina koa fa tandapa tao an-dapan’i Zedekia Mpanjaka i Ebeda-meleka Etiopianina, izay namonjy an’i Jeremia mpaminany avy tao anaty lavaka fanangonan-drano. Toa olona ambony izy matoa afaka niangavy mivantana an’i Zedekia Mpanjaka. Nasaina nitondra 30 lahy àry izy mba hamonjy an’i Jeremia.—Je 38:7-13.
Nilaza i Jehovah fa hekeny ho mpanompony ny lehilahy novosirina, ary homeny anarana tsara kokoa noho ny zanakalahy sy zanakavavy raha mankatò. Nofoanan’i Jesosy Kristy mantsy ny Lalàna, ka ho afaka ny ho zanak’Andriamanitra ateraky ny fanahy daholo izay maneho finoana, na nanao ahoana na nanao ahoana izy taloha, na dia novosirina aza.—Is 56:4, 5; Jn 1:12; 1Ko 7:24; 2Ko 5:16.
Hoy i Jesosy Kristy ao amin’ny Matio 19:12: “Fa misy tsy manambady satria manan-takaitra hatrany an-kibon-dreniny, ary misy tsy manambady satria novosirin’olona, fa misy kosa minia tsy manambady noho ny fanjakan’ny lanitra. Izay afaka mitoetra ho tsy manambady, dia aoka izy hanao izany.” Mifehy tena ireo “minia tsy manambady” noho ilay Fanjakana, mba ho afaka hifantoka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Nilaza ny apostoly Paoly fa “tsara kokoa” izany ho an’ny Kristianina tsy ‘arehitry ny filan’ny nofo’, mba hanompoany ny Tompo mandrakariva “tsy misy fieritreretana zavatra hafa.” (1Ko 7:9, 29-38) Tsy novosirina akory izy ireo fa nifidy ny tsy hanambady fotsiny. Tsy mifototra amin’ny Baiboly ny mivoady ny tsy hanambady, ary ny mpivadi-pinoana no “mandrara tsy hanambady.” Nanambady kosa ny apostoly sasany.—1Ti 4:1-3; 1Ko 9:5; Mt 8:14; Mr 1:30; Lk 4:38; jereo TANDAPA.