EVY
(Èvy).
Iray amin’ireo mpanjaka na mpiadidy midianita dimy novonoin’ny tafiky ny Israely notarihin’i Mosesy. Nasain’i Jehovah nofaizina mantsy ny Midianita, noho izy ireo nitaona ny Israely hanompo an’i Balan’i Peora. Andrianan’i Sidona mpanjakan’ny Amorita ireo mpanjaka midianita ireo, satria mpiray dina taminy na teo ambany fahefany. Nomena ny fokon’i Robena ny tanin’izy ireo.—No 25:17, 18; 31:8; Js 13:15, 21.