FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fampiharana Didim-pitsarana”
  • Fampiharana Didim-pitsarana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampiharana Didim-pitsarana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Heloka sy Sazy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Lalàna
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mpanome Lalàna
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mpamaly Ra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fampiharana Didim-pitsarana”

FAMPIHARANA DIDIM-PITSARANA

Tsy maintsy ampiharina ny lalàna sy didy ary baiko vao manan-kery sy misy vidiny. Nampiharina tamin’ireo nandika lalàna, indrindra fa ireo voaheloka ho faty, ny didim-pitsarana matetika. I Jehovah no manome sy mampihatra ny Lalàna Fara Tampony, satria “i Jehovah no Mpitsara antsika, Jehovah no Mpanome lalàna antsika, Jehovah no Mpanjakantsika.” “Iray monja ny mpanome lalàna sy mpitsara.” (Is 33:22; Jk 4:12) Mpampihatra didim-pitsarana sady mpamaly ny nataon’ireo mandika ny lalàny àry Izy.​—Ek 12:12; De 10:17, 18; Ezk 25:11-17; 2Te 1:6-9; Jd 14, 15.

Nomen’i Jehovah fahefana hampihatra didim-pitsarana koa ny hafa. Hoy ny Genesisy 9:5, 6: ‘Hanao ampamoaka aho noho ny amin’ny ranareo. ... Raha misy olona mamono mahafaty ny rahalahiny, dia hataoko ampamoaka izy noho ny amin’ny ran’ny rahalahiny. Izay mandatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra araka ny endriny ny olona.’ Afaka nampihatra didim-pitsarana àry “ny mpamaly ra.” (No 35:19; jereo MPAMALY RA.) Nomena fahefana toy izany koa indraindray ny mpisorona tany Israely (No 5:15-31), ny fiangonana manontolo (ny vavolombelona no voalohany namono ho faty an’ilay voaheloka) (Le 24:14-16; De 17:2-7), ary ireo mpitsara sy mpanjaka na izay olona notendren’izy ireo (Mpts 8:20, 21; 2Sa 1:15; 1Ta 14:16; 2Mp 9:6-9; 10:24-28; Je 21:12; 22:3).

Nanana mpiaro maromaro natokisany sy nanatanteraka ny baikony ny mpitondra fahiny. Mpiaro, ohatra, i Potifara. (Ge 37:36; 41:12) Ny iray tamin’ny mpiaro an’i Heroda no nanapaka ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.​—Mr 6:27.

Notoraham-bato na novonoina tamin’ny sabatra izay voaheloka ho faty tany Israely. (Le 20:2; 2Sa 1:15) “Mpitsara ny tany manontolo” i Jehovah, ka nomeny fahefana hampihatra didim-pitsarana ilay Mesia Mpanjaka na i Jesosy Kristy Tompo sy ireo hiara-manjaka aminy any an-danitra.​—Ge 18:25; Sl 149:6-9; Ap 12:7-9; 19:11-16; 20:1-3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara