FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Handrina”
  • Handrina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Handrina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Marika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Asio Marika ny Handrin’ny Olona”
    Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
  • Ny fanoloran-tena sy ny batisa dia hahazoana fihavanana amin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Eo Amin’izao Tontolo Izao Kanefa Tsy Namany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Handrina”

HANDRINA

Ny faritra eo ambonin’ny maso. Maro ny teny hebreo nadika hoe “handrina.” Midika ara-bakiteny hoe “eo anelanelan’ny maso” ny iray amin’ireny, (De 14:1) ary toy izany koa ny teny grika nadika hoe “handrina” (metôpôn). Miharihary sy mora tazana ny handrina, ka teo amin’ny handrin’ny mpanompo no nasiana marika fahiny, mba ho fantatry ny rehetra hoe iza no tompony. Natao toy izany koa ny mpivavaka nafana fo tamin’ny andriamanitra sampy sasany. Mbola misy manisy marika toy izany eo amin’ny handriny ankehitriny, mba ho hitan’ny rehetra fa tena mpivavaka mafana fo izy.

Marika eo amin’ny handrina. Ampiasaina an’ohatra koa ny hoe marika eo amin’ny “handrina”, ao amin’ny Baiboly. Mpanompon’ilay tena Andriamanitra na mpanompon’andriamani-kafa ny olona misy azy io. Miresaka momba ny anjely manisy tombo-kase eo amin’ny handrin’ireo 144 000 ny Apokalypsy 7:2-4. (Jereo TOMBO-KASE.) Voalaza koa fa voasoratra eo amin’ny handrin’ireo 144 000 ny anaran’ny Zanak’ondry (Jesosy Kristy) sy ny anaran’ny Rainy. Ara-dalàna izany satria fofombadin’ny Zanak’ondry izy ireo. (Ap 14:1; 22:3, 4) Mety ho ny Litera Hebreo Efatra ilay anarana voasoratra teo amin’ny handrin’ireo 144 000, ary mampahafantatra azy ireo ho mpanompon’i Jehovah sady vavolombelony. Indroa mantsy ny Apokalypsy (9:11; 16:16) no miresaka momba ny fiteny hebreo, ary ny apostoly Jaona rahateo Hebreo.

Misy olona asiana marika eo amin’ny handriny mba tsy horinganin’ny tafik’i Jehovah. Tsy anjely no manisy ilay marika, fa lehilahy iray mitondra “fitoeran-dranomaintin’ny mpitan-tsoratra.” Tsy “tombo-kase” koa, araka izany, ilay marika. (Ezk 9:3-6) Ny olona “misento sy mitaraina noho ny zava-maharikoriko rehetra atao” no asiana an’io “marika” io mba hahalalana fa mpanompon’i Jehovah izy ireo ary mahafoy tena ho azy. Hitan’ny rehetra amin’ny ataon’izy ireo sy ny fombany ary ny toetrany izany, satria toy ny hoe voasoratra ‘eo amin’ny handrin’izy ireo.’

Terena hitondra marika an’ohatra eo amin’ny handriny na ny tanany havanana ny olona mba hamantarana azy hoe mpanompon’ilay “bibidia”, izay tsy inona fa ny fitondrana ara-politika eto amin’ity tontolo ity. (Jereo BIBY AN’OHATRA [Ilay bibidia nanana loha fito niakatra avy tao amin’ny ranomasina].) (Ap 13:16, 17) Mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra ireo olona misy an’ilay marika, ka tsy maintsy iharan’ny fahatezerany.​—Ap 14:9-11; jereo MARIKA.

Mpisoronabe teo amin’ny Israely. Nisy takela-bolamena teo amin’ny satroka lamban’ny mpisoronaben’ny Israely, izany hoe teo anoloana, teo ambonin’ny handriny. Io takela-bolamena io no “famantarana masina hoe voatokana” izy. ‘Natao sokitra toy ny fanao tamin’ny tombo-kase’ teo amin’izy io ny soratra hoe: “An’i Jehovah ny fahamasinana.” (Ek 28:36-38; 39:30, f.a.p.) Ny mpisoronabe no tena solontenan’i Jehovah teo amin’ny fanompoana, ka tokony ho masina foana izy. Fampahatsiahivana an’ireo Israelita koa io soratra io hoe tokony ho masina foana izy ireo satria manompo an’i Jehovah. Io takela-bolamena io dia manondro mialoha ny anjara asan’i Jesosy Kristy ilay Mpisoronabe notendren’i Jehovah hanandratra ny fahamasinany.​—He 7:26.

Babylona Lehibe. Ilay anarana hoe “Babylona Lehibe” kosa no eo amin’ny handrin’ilay mpivaro-tena lehibe an’ohatra. Efa hatry ny ela ilay Babylona fahiny no nampiasaina hilazana an’izay tsy masina sy izay manohitra an’Andriamanitra.​—Ap 17:1-6; jereo BABYLONA LEHIBE.

Heviny an’ohatra hafa. Nilaza i Jehovah ao amin’ny Isaia 48:4 fa varahina ny ‘handrin’ny’ Israelita. Nahoana? Azo inoana fa noho izy ireo tena mafy loha sy tia nikomy. Resahin’ny Jeremia 3:3 (f.a.p.) koa fa lasa nanana “handrin’ny vehivavy mivaro-tena” i Jerosalema noho izy io tena sahy sy tsy menatra nivadi-pinoana. Naminany momba an’ireo Israelita “mafy loha” i Ezekiela, ary nilaza tamin’io mpaminany io Andriamanitra fa hataony “hoatran’ny diamondra” ny handriny. Nampiany mantsy i Ezekiela mba ho tapa-kevitra sy ho sahy hitory ny hafatr’Andriamanitra tamin’ireo Israelita ireo.​—Ezk 3:7-9.

Sahisahy ratsy i Ozia Mpanjaka, ka saika hanolotra emboka manitra teo amin’ny alitaran’ny emboka manitra tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Tsy ara-dalàna anefa izany satria tsy mpisorona izy. Nanota izy ka nosazin’i Jehovah: Tonga dia nisy habokana nipoitra sy hita be teo amin’ny handriny.​—2Ta 26:16, 19, 20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara