FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Marika”
  • Marika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Marika
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Handrina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Miady Amin’ny Biby Masiaka Roa
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Eo Amin’izao Tontolo Izao Kanefa Tsy Namany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Inona no Dikan’ilay Marika hoe 666?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Marika”

MARIKA

Nasian’ny tsy Israelita marika tamin’ny vy mahamay ny bibiny sy ny andevony, ka nataony niharihary teo amin’ny handrina, ohatra, ny an’ny olona. Nataon’ny mpanompo sampy teo amin’ny handriny koa indraindray ny famantarana ny andriamaniny. Noraran’i Jehovah tsy hanisy tombokavatsa ny tenany kosa ny Israelita, satria nanimba sady tsy nanaja an’izay noforoniny izany, sady fanaon’ny mpanompo sampy.​—Le 19:28; jereo TOMBOKA AMIN’NY VY MAHAMAY.

Heviny an’ohatra. Miresaka marika an’ohatra natao teo amin’ny olona ny Baiboly. Nirahina hamakivaky an’i Jerosalema ny lehilahy iray nanana fitoeran-dranomaintin’ny mpitan-tsoratra tao amin’ny fahitan’i Ezekiela, mba ‘hanisy marika [heb.: tav] teo amin’ny olona nisento sy nitaraina noho ny zava-maharikoriko rehetra natao tao.’ (Ezk 9:4) Olo-marina izy ireo ary mpanompon’i Jehovah, matoa nasiana marika teo amin’ny handriny. Mendrika ny hotsimbinina àry izy ireo rehefa ampiharina ny didim-pitsaran’i Jehovah.​—Ezk 9; 2Pe 2:6-8.

Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana kosa fa haringana ny olona mandray ny mariky ny bibidia eo amin’ny handriny na ny tanany. Eo amin’ny handriny ilay izy, ho famantarana hoe mpivavaka amin’ilay bibidia sy mpanompony izy ireo. Fahavalon’Andriamanitra àry izy ireo satria ilay dragona na Satana Devoly no manome fahefana an’ilay bibidia. Mpanohana an’ilay bibidia koa izy ireo, matoa misy marika ny tanany, satria ny tanana no anaovan-javatra.​—Ap 13:1, 2, 16-18; 14:9, 10; 16:1, 2; 20:4.

Hoy i Paoly: “Izaho efa mitondra marika [gr.: stigmata] eo amin’ny vatako manamarina ahy ho mpanompon’i Jesosy.” (Ga 6:17) Nokapohina sy nampijalina imbetsaka i Paoly noho izy mpanompo tsy nivadika, ka mety ho nisy holatra mihitsy. Porofo izany fa marina ny filazany hoe mpanompon’i Jesosy Kristy izy. (2Ko 11:23-27) Ireny holatra ireny angamba ilay marika noresahiny. Na koa mety ho noho izy Kristianina naneho ny vokatry ny fanahy sy nanatontosa ny fanompoany ilay hoe marika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara