FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Gabriela”
  • Gabriela

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Gabriela
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Hafatra Roa avy Amin’​Andriamanitra
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Hafatra avy any an-danitra
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Hafatra avy any an-danitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Tonga ny Mesia
    Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Gabriela”

GABRIELA

(Gabrièla) [Ilay Tomadin’Andriamanitra].

Hany anjely voalaza anarana ao amin’ny Baiboly ankoatra an’i Mikaela. Izy koa no hany anjely nitafy nofo nilaza ny anarany. Indroa i Gabriela no niseho tamin’i Daniela. Voalohany, teo amoron’ny Reniranon’i Olay “tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Belsazara”, mba hanazava taminy hoe iza ilay osilahy sy ilay ondrilahy hitany tao amin’ny fahitana. (Da 8:1, 15-26) Faharoa, “tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy” Medianina, mba hanambara ilay faminaniana momba ireo “fitopolo herinandro.” (Da 9:1, 20-27) I Gabriela koa no nirahina hilaza ilay vaovao tsara tamin’i Zakaria mpisorona hoe hiteraka zazalahy atao hoe Jaona (Mpanao Batisa) izy sy Elizabeta, izay efa be taona. (Lk 1:11-20) Hoy koa i Gabriela tamin’i Maria, ilay virjiny fofombadin’i Josefa: “Arahaba, ry ilay ankasitrahana indrindra. Jehovah momba anao.” Nilazany koa izy fa hiteraka zazalahy atao hoe Jesosy. “Hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra” izy io, “ary i Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy ... ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.”​—Lk 1:26-38.

Anjely mitana toerana ambony any an-danitra i Gabriela. Lazain’ny Baiboly mantsy fa “mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra” izy, ary ‘nirahiny’ hampita hafatra manokana tamin’ny mpanompony tetỳ an-tany. (Lk 1:19, 26) “Toy ny lehilahy tomady” tokoa izy, araka ny hevitry ny anarany, rehefa nitafy nofo sy hita tao amin’ny fahitana.​—Da 8:15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara