GERARA, LOHASAHA FALEHAN-DRIAKAN’I
Voalazan’ny fanazavana vao haingana fa io lohasaha io dia ny Lohasaha Falehan-driaka Esh-Shari’ah (Nahal Gerara), any amin’ny 500 metatra any atsimon’i Tell Abou Horeirah (Tel Haror), izany hoe ilay toerana mety ho nisy an’ilay tanànan’i Gerara fahiny. Toerana mety tsara hiompiana biby ny faritra manodidina ny lohasaha falehan-driakan’i Gerara. Toa mora ahazoana rano mantsy eo amin’ny toerana falehan’ny riaka raha lavahana. (Ge 26:17-19) Nivahiny kelikely tao amin’io faritra io i Abrahama. (Ge 20:1, 2) Niverina nonina tany i Isaka, tatỳ aoriana, rehefa nisy mosary. Namboly izy tao ary niompy omby sy ondry. (Ge 26:1, 6, 12-14) Nandavaka lavadrano roa teo amin’ilay lohasaha ny mpanompon’i Isaka, ka nanjary nifanditra tamin’izy ireo ny mpiandry ondry tao Gerara satria te hahazo an’ireo lavadrano ireo koa.—Ge 26:17-22.