FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Lohasaha Falehan-driaka”
  • Lohasaha Falehan-driaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lohasaha Falehan-driaka
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Aravaha, Lohasaha Falehan-driaka Misy Hazo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jaboka, Lohasaha Falehan-driakan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Gerara, Lohasaha Falehan-driakan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Araba, Lohasaha Falehan-driakan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Lohasaha Falehan-driaka”

LOHASAHA FALEHAN-DRIAKA

Nahal no teny hebreo nadika hoe lohasaha falehan-driaka. (Ge 26:19; 2Mp 3:16; Jb 30:6; To 6:11) Mety ho ilay lohasaha lalovan’ilay riaka no tiana holazaina amin’io, nefa mety ho ilay riaka mikoriana eo mihitsy. (1Mp 17:4; Sl 110:7) Hoy i A. Stanley rehefa nanazava an’io nahal io: “Tsy misy teny anglisy mahalaza tsara azy io, fa angamba ny hoe ‘fanambanin’ny riaka’ no akaiky indrindra azy.” (Sinay sy Palestina, 1885, p. 590) Anisan’ny famaritana omen’ny diksionera hebreo-aramianina azy io koa ny hoe “lohasaha falehan-driaka.” (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i Koehler sy Baumgartner, Leyde, 1958, p. 607) Misy teny arabo koa ilazana ny lohasaha falehan-driaka.​—Ge 32:23.

Voalaza fa “tany be lohasaha falehan-driaka misy rano” ny Tany Nampanantenaina, “sady misy loharano sy rano lalina avy any amin’ny lemaka sy ny faritra be tendrombohitra.” (De 8:7) Loharano no mivarina eny amin’ny lohasaha falehan-driaka sasany, ka misy rano mandavantaona izy ireny. Ny hafa kosa amin’ny fotoanan’ny orana ihany no misy riaka, fa maina tanteraka amin’ny main-tany. (1Mp 17:7; 18:5) Namitaka an’i Joba ireo rahalahiny, ka nolazainy hoe toy ny riaka amin’ny ririnina izay ritra rehefa tonga ny vanin-taona mafana.​—Jb 6:15.

Lohasaha falehan-driaka maro no resahin’ny Baiboly, anisan’ireny ny lohasaha falehan-driakan’i Araba (Am 6:14), Arnona (De 2:36), Besora (1Sa 30:9), Ejipta (Js 15:4), Eskola (No 13:23), Gerara (Ge 26:17), Jaboka (De 2:37), Kana (Js 16:8), Kerita (1Mp 17:3), Kidrona (2Sa 15:23), Kisona (Mpts 4:7), Soreka (Mpts 16:4), ary Zareda (De 2:13; jereo ny lohasaha falehan-driaka araka ny anarany avy). Lohasaha falehan-driaka koa i Yarmok sy Farʽah na dia tsy voatonona ao amin’ny Baiboly aza. Mivarina ao amin’i Jordana izy ireo.

[Saritany, pejy 286]

SARITANY: Lohasaha Falehan-driaka Fandre Matetika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara