GITAIMA
(Gitàima) [Famiazam-boaloboka Roa].
Toerana nandosiran’ny Berotita (tsy voalaza ny antony nandosiran’izy ireo). (2Sa 4:1-3) Nisy Benjamita nonina tao Gitaima taorian’ny sesitany. (Ne 11:31, 33) Tsy fantatra ny tena toerana nisy azy io. Misy milaza azy io ho ilay Gamteti voaresaka ao amin’ny Takelaka Hita tao Amarna. Toa any akaikin’i Ramleh ankehitriny no nisy an’io Gamteti io.—Jereo BEROTA.