FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Volamena”
  • Volamena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Volamena
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Zava-miafina Momba ny Volamena
    Mifohaza!—1998
  • Nampitomboina ve ny Fitantarana ny Amin’ny Harenan’i Solomona Mpanjaka?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mitadiava Zava-tsarobidy Noho ny Volamena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Volamena”

VOLAMENA

Ny metaly voalohany resahin’ny Baiboly sady voaresaka matetika indrindra ao. (Ge 2:11) Efa tamin’izany fotoana izany ny volamena no metaly ambony karazana sy lafo vidy, noho izy io mavesatra sy tsy fahita firy, mateza, tsy mora vasoka, mangilatra sy kanto, ary azo atao manify kely sady mora tefena. Teny hebreo maromaro no ampiasaina mba hilazana ny volamena, anisan’izany ny zahav (Ek 25:11), harots (Za 9:3), ketem (Sl 45:9), paz (“volamena voadio”; Sl 19:10), segôhr (“volamena tsy misy fangarony”; Jb 28:15),ʼôhfir (“volamena avy any Ofira”; Jb 22:24). Krysôs sy krysiôn kosa no teny grika nadika hoe volamena, ary ampiasaina mba hilazana vola madinika sy ravaka ary volamena amin’ny ankapobeny, sady ampiasaina an’ohatra koa.​—Mt 10:9; 1Pe 3:3; Mt 2:11; 1Ko 3:12.

Tsy fahita firy ny volamena ka misy vidiny toy ny vola, ary nanaovana takalo rehefa nisy raharaham-barotra. Ny volamena nananan’ny olona koa no nanombanana ny harenany sy ny fahamboniany. (Ge 13:2; 1Ta 21:25; Es 8:15) Tatỳ aoriana anefa vao nisy nanao vola madinika tamin’ny volamena. Tena mety tsara hanaovana firavaka sy ravaka isan-karazany ny volamena, noho izy tsara loko, mangilatra, tsy mora harafesina na vasoka.​—Ge 24:22; 41:42; Mpts 8:24-26; Sl 45:9, 13.

Aiza no misy volamena? Miaraka amin’ny vatokely any ambanin’ny tany sy any amin’ny fanambanin’ny renirano. Mora avahana sy alaina izy io satria mavesatra kokoa noho ny zavatra hafa manodidina azy. Miresaka momba ny fitrandrahana sy fanadiovana volamena ny bokin’i Joba.​—Jb 28:1, 2, 6.

Tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. Mora tefena ny volamena ka azo amboarina hanana bika maro be. Rehefa naorina ny tranolay masina, dia nokapokapohina izy io mba hahazoana takela-bolamena ary napetaka tamin’ny zavatra isan-karazany. Nisy koa nokapokapohina mba hanify ary avy eo nodidididiana ho lasa kofehy, izay notenomina tamin’ny fitafiana sasany nanaovan’ny mpisoronabe. (Ek 25:31; 30:1-3; 37:1, 2; 39:2, 3) Toy izany koa no nampiasana ny volamena rehefa naorina ny tempolin’i Solomona. (1Mp 6:21-35; 2Ta 3:5-9) Fanao tamin’ny andron’ny Israelita ny nampifangaro volamena tamin’ny metaly hafa mba ho lasa mafy kokoa. Azo ampiasaina amin-javatra betsaka kokoa izy io, vokatr’izany.​—1Mp 10:16; jereo METALY MANJELATRA.

Be dia be ny volamena nampiasaina tamin’ny tranolay masina, ary tombanana ho 11 269 000 dolara teo ho eo ny vidin’izany. (Ek 25:10-40; 38:24) Faran’izay bitika anefa ny volamena nampiasaina tamin’io tranolay naorina tany an-tany efitra io, raha oharina amin’izay nanaovana an’ilay tempoly be voninahitra naorin’i Solomona. Talenta volamena 100 000 mahery no nomanin’i Davida mba hanaovana an’io tempoly io, ary mihoatra ny 385 350 00 000 dolara ny vidin’izany. (1Ta 22:14) Volamena sy volafotsy ny fitoeran-jiro sy fitaovana hafa tao amin’ny tempoly, anisan’izany ny fitrebika, vilia baolina, zinga, koveta, kaopy, sy ny sisa. Varahina ny fitaovana sasany. Nopetahana takela-bolamena ny kerobima tao amin’ny Masina Indrindra, sy ny alitaran’ny emboka manitra, ary na dia ny aty trano manontolo aza.​—1Mp 6:20-22; 7:48-50; 1Ta 28:14-18; 2Ta 3:1-13.

Volamena azon’i Solomona. Nisy volamena be dia be narotsaka tao amin’ny fitehirizan-karenan’i Solomona. Avy taiza izy ireny? Avy tamin’ny mpanjakan’i Tyro (talenta 120) sy ny mpanjakavavin’i Sheba (talenta 120), avy tamin’ny hetra isan-taona, ary nentin’ireo andian-tsambo nanao raharaham-barotra ho an’i Solomona. Voalaza fa “ny lanjan’ny volamena tonga tany amin’i Solomona tao anatin’ny herintaona dia talenta volamena enina amby enimpolo sy eninjato [t. 256 643 000 dolara].” Tsy tafiditra amin’io ny hetra avy tamin’ireo mpivarotra sy governora ary ny hafa.​—1Mp 9:14, 27, 28; 10:10, 14, 15.

Toerana fakan’i Solomona volamena tena tsara i Ofira. Izao no voasoratra teo amin’ny silaka tanimanga iray tombanana ho tamin’ny taonjato fahavalo T.K.: “Volamena avy any Ofira ho an’i bet hôrôn, milanja sekely telopolo.”​—1Mp 9:28; 10:11; Jb 28:16; jereo OFIRA.

Natao ahoana ny volamenan’ireo tanàna resin’ny Israelita? Nasain’Andriamanitra nodoran’ny Israelita ny sary sokitry ny andriamanitr’ireo firenena. Hoy izy: “Aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena eo amin’ireny, na maka izany ho anao, sao ho voafandrik’izany ianao, fa zava-maharikoriko amin’i Jehovah Andriamanitrao izany. Aza mitondra zava-maharikoriko ho ao an-tranonao, sao ho voatokana haringana toy izany zavatra izany koa ianao. Tokony haharikoriko tanteraka anao izany, ary ho tena halanao, satria zavatra natokana haringana.” (De 7:25, 26) Nodorana tokoa àry ny sampy sy ny zavatra nampiasaina tamin’ny fivavahana tamin’izy ireny. Notorotoroina ho vovoka koa ny volamena sy volafotsy tamin’izy ireny, indraindray.​—Ek 32:20; 2Mp 23:4.

Azon’ny Israelita nalaina kosa ny zavatra hafa vita tamin’ny volamena sy volafotsy tao amin’ireo tanàna resin’izy ireo, saingy nila nodiovina tamin’ny afo aloha. (No 31:22, 23) Ny tao Jeriko no tsy azony nalaina, satria io no tanàna kananita voalohany resin’izy ireo. Toy ny hoe voaloham-bokatra i Jeriko, ka tsy maintsy nomena an’ireo mpisorona sy natokana hampiasaina tao amin’ny toerana masina ny volamena sy volafotsy tao, ankoatra an’ireo teo amin’ny sampy.​—Js 6:17-19, 24.

Tsara noho ny volamena ny fahendrena sy ny finoana. Marina fa tena sarobidy ny volamena, nefa toy ny vola aman-karena ihany izy io ka tsy afaka manome aina ho an’izay manana azy. (Sl 49:6-8; Mt 16:26) Na volamena be dia be aza tsy mahavidy ny fahendrena avy amin’i Jehovah. (Jb 28:12, 15-17, 28) Sarobidy lavitra noho ny volamena voadio be dia be ny lalàn’Andriamanitra sy ny didiny ary ny anatra omeny. (Sl 19:7-10; 119:72, 127; Oh 8:10) Tsy mahavonjy ny volamena amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.​—Ze 1:18.

Tsy miraharaha an’izany finoana an’Andriamanitra izany ny olona any amin’ny tany tia vola loatra. Milaza izy ireo fa tsy manampy eo amin’ny fiainana ny finoana. Nasongadin’ny apostoly Petera kosa fa tsy misy zavatra sarobidy sy mahatanty fisedrana noho ny finoana. Nanazava izy fa sarobidy lavitra noho ny volamena ny finoana vita sedra. Na mahatanty afo aza mantsy ny volamena, dia mety ho simba sy ho potiky ny zavatra hafa ihany. Tsy maintsy miaritra fitsapana maro samihafa ny Kristianina, ary mampahory tokoa izy ireny indraindray, nefa izany no hampiharihary hoe matanjaka ny finoan’izy ireo. (1Pe 1:6, 7) Mahatohitra an’izay mety ho fitsapana rehetra mantsy ny tena finoana.

Heviny an’ohatra. Niresaka momba ny volamena i Joba, ary ny vola aman-karena no tena tiany holazaina. Fantany fa tsy maintsy miezaka izy mba tsy ho tia vola loatra, raha tiany ny hampifaly an’i Jehovah. (Jb 31:24, 25) Kanto sy sarobidy ary madio ny volamena tena tsara, ka tena mety raha hampitoviana amin’izany ilay tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao sy ny lalambeny.​—Ap 21:18, 21.

Volamena ny lohan’ilay sarivongana hitan’i Nebokadnezara tao amin’ny nofy. Zavatra tsy sarobidy kokoa noho ny volamena kosa ireo tapany sisa tamin’ilay sarivongana. Nanazava i Daniela fa manondro firenena matanjaka maro ny tapany samihafa tamin’ilay izy, ary ilay loha volamena dia i Nebokadnezara, izany hoe ireo tarana-mpanjaka nifehy an’i Babylona ka i Nebokadnezara no lohany. (Da 2:31-33, 37-40) Voalaza koa fa “kaopy volamena teny an-tanan’i Jehovah” i Babylona, satria nampiasainy mba hampihatra ny didim-pitsarany tamin’ireo firenena.​—Je 51:7.

Nampiasaina ny volamena tao amin’ireo efitra tamin’ilay tranolay masina naorin’i Mosesy, izany hoe ny Toerana Masina (tao no niditra sy nanao ny asany ireo mpisorona) sy ny Masina Indrindra (ny mpisoronabe ihany no afaka niditra tao). Mifanitsy amin’ny lanitra, izany hoe ny toeram-ponenan’Andriamanitra, ny Masina Indrindra izay nisy an’ilay Vata volamena nisy ny fifanekena. Ny mpisorona ihany, fa tsy ny vahoakan’Israely, no afaka niditra tao amin’ny Toerana Masina. Mifanitsy amin’inona àry izany rehetra izany? Mifanitsy amin’ny any an-danitra fonenan’Andriamanitra sy amin’ireo ‘mpisorona sady mpanjaka’ nofidiny, izany hoe ireo olona voantso ho any an-danitra ary hanatanteraka andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra. (1Pe 2:9; He 9:1-5, 9, 11, 12, 23-25; 3:1) Hita amin’izany fa tsy mitovy amin’ilay vahoaka hiaina eto an-tany ireo ho mpisorona ireo, ary hanao fanompoana hahasoa an’io vahoaka io izy ireo.

Hendry ilay mpanoratra ny bokin’ny Mpitoriteny, ary nampirisihiny ny tanora mba hanompo an’ilay Mpamorona dieny mbola manana hery sy tanjaka, ary dieny “mbola tsy potika ny vilia baolina volamena.” Toa ny karandoha boribory, izay misy ny atidoha, ny vilia baolina nolazainy eo. Maty mantsy ny olona rehefa potika izy io.​—Mpto 12:6, 7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara