Nampitomboina ve ny Fitantarana ny Amin’ny Harenan’i Solomona Mpanjaka?
“Ny lanjan’ny volamena izay tonga tao amin’i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato.” — 1 Mpanjaka 10:14.
ARAKA io andinin-teny ao amin’ny Baiboly io, tao anatin’ny herintaona monja dia nahazo volamena maherin’ny 25 taonina i Solomona Mpanjaka! Notombanana ho 240 000 000 dolara izany amin’izao andro izao. Efa ho avo roa heny noho ny volamena notrandrahana naneran-tany tamin’ny taona 1800 izany. Mety hisy ve izany? Inona no asehon’ny porofo arkeolojika? Toa manondro izy io fa azo inoana tokoa ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly momba ny harenan’i Solomona. Hoy ny Biblical Archaeology Review:
◻ Thutmose III Mpanjakan’i Egypta (Arivo taona faharoa al.f.i.) dia nanolotra zavatra vita tamin’ny volamena sahabo ho 13,5 taonina tao amin’ny tempolin’i Amona-Ra tao Karnak — ary ampahany fotsiny tamin’ilay fanomezana io.
◻ Ireo soratra egyptiana dia nirakitra an-tsoratra fanomezana volamena sy volafotsy sahabo ho 383 taonina tamin’ny fitambarany, natolotry ny Mpanjaka Osorkon I (tany am-piandohan’ny arivo taona voalohany al.f.i.) ho an’ireo andriamanitra.
Ankoatra izany, ny boky Grisia Klasika (anglisy) anisan’ilay fitambaram-boky hoe Ireo Vanim-potoana Lehibe teo Amin’ny Olona dia manao izao tatitra izao:
◻ Ireo toeram-pitrandrahan’i Pangaeum tany Thrace dia nahazoana volamena nihoatra ny 37 taonina isan-taona ho an’ny Mpanjaka Filipo II (359-336 al.f.i.).
◻ Fony Aleksandra Lehibe (336-323 al.f.i.), zanakalahin’i Filipo namabo an’i Sosana, renivohitry ny empira persiana, dia rakitra volamena nahatratra mahery lavitra ny 1 000 taonina no hita. — The New Encyclopædia Britannica.
Koa tsy sarotra inoana àry ny filazalazan’ny Baiboly momba ny harenan’i Solomona Mpanjaka. Tadidio koa fa “nanan-karena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany”, i Solomona. — 1 Mpanjaka 10:23.
Tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’i Solomona ny harenany? Nopetahana takela-bolamena “volamena tsara indrindra” ny seza fiandrianany, ny fisotroany dia “volamena”, ary nanana ampinga lehibe sy ampinga 300 natao tamin’ny “volamena voafisaka” izy. (1 Mpanjaka 10:16-21). Nampiasaina indrindra nifandray tamin’ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema ny volamenan’i Solomona. Ireo fanaovan-jiro tao amin’ny tempoly sy ireo fanaka masina, toy ny fitrebika, lovia famafazana, fitoeran-divay sy ireo lovia dia natao tamin’ny volamena sy volafotsy. Nopetahana takela-bolamena ireo kerobima 4,5 metatra tao amin’ny Masina Indrindra, ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, sy ny atin’ilay trano iray manontolo mihitsy. — 1 Mpanjaka 6:20-22; 7:48-50; 1 Tantara 28:17.
Ahoana ny amin’ny tempoly iray nasiana takela-bolamena? Mahaliana ny mahafantatra fa tsy hoe tsy nahazatra velively ny fampiasana volamena toy izany teo amin’izao tontolo izao fahiny. Marihin’ny Biblical Archaeology Review fa i Amenophis III avy tany Egypta dia “nanome voninahitra an’i Amona, ilay andriamanitra lehibe tamin’ny alalan’ny tempoly iray tao Thèbes izay ‘nopetahana takela-bolamena manontolo, ny gorodony noravahana tamin’ny volafotsy, [ary] ny vavahady fidirany rehetra tamin’ny electrum’ ” — taharo voajanahary-na volamena sy volafotsy. Ankoatra izany, dia nopetahan’i Esara-hadona avy tany Asyria (taonjato fahafito al.f.i.) takela-bolamena ireo varavarana ary norakofany tamin’ny volamena ny rindrin’ny toerana masin’i Asora. Momba ilay tempolin’i Sin tao Harana, dia nanoratra toy izao i Nabonida avy tany Babylona (taonjato fahenina al.f.i.): “Notafiako volamena sy volafotsy ny rindriny, ary nataoko namirapiratra tahaka ny masoandro izany.”
Araka izany, ireo firaketana ara-tantara dia toa manondro fa tsy nampitomboina ny fitantarana ara-baiboly ny amin’ny harenan’i Solomona Mpanjaka.