FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Gomera”
  • Gomera

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Gomera
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Lo-rohama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Togarma
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Lo-amy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hosea, Bokin’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Gomera”

GOMERA

(Gômèra).

1. Zafikelin’i Noa, ary ny anarany no voatonona voalohany amin’ireo zanakalahin’i Jafeta teraka taorian’ny Safodrano. (Ge 10:1, 2; 1Ta 1:4, 5) Anisan’ireo “fianakavian’ny zanakalahin’i Noa, araka ny taranany” i Gomera sy ireo zanany lahy, dia i Askenaza sy Rifata ary Togarma. Avy tamin’ireo fianakaviana ireo no nielezan’ny firenena taorian’ny Safodrano.​—Ge 10:3, 32.

Milaza ny tantara fa ny Simerianina fahiny no taranak’i Gomera. Aryanina (taranak’i Jafeta) nanorim-ponenana tany avaratry ny Ranomasina Mainty izy ireo. Toa noroahin’ny Skytianina hatrany ivelan’i Caucase (ilay faritra be tendrombohitra anelanelan’ny Ranomasina Mainty sy ny Ranomasina Caspienne) anefa izy ireo, tamin’ny andron’i Sargona mpanjaka asyrianina, tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Nandalo an’i Azia Minora àry ny Simerianina, nanafika ny fanjakan’i Orarto (Ararata), ary tonga hatrany amin’ny faritra atsinanan’i Azia Minora, na Kapadokia. Antsoina amin’ny teny aramianina hoe Gamirkʽ i Kapadokia, ka porofo izany fa nanafika tany izy ireo. Nandrahona teo atsinanana anefa ny Fanjakana Asyrianina natanjaka, ka niankandrefana ny Simerianina ary niady tamin’ny Frijianina sy ny Lydianina. Farany, noroahin’i Alyatte (nodimbiasan’i Crésus) mpanjakan’i Lydia hiala tao Lydia izy ireo.

Milaza ny faminanian’i Ezekiela (voasoratra tamin’ny 591 T.K. tany ho any) fa anisan’ireo tafik’i Goga i “Gomera sy ny miaramilany rehetra” sy ny taranak’i Togarma “avy any amin’ny farany avaratra, mbamin’ny miaramilany rehetra.” Hotarihin’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga” izy ireo hanafika ny vahoakan’i Jehovah.​—Ezk 38:2-8; jereo GOGA No. 2; MAGOGA No. 2; TOGARMA.

2. Ilay zanakavavin’i Diblaima lasa vadin’i Hosea, araka ny toromarik’i Jehovah ho an’ilay mpaminany. (Ho 1:2, 3) Niteraka telo i Gomera, ary nampiasain’Andriamanitra ny anaran’ireo zaza ireo mba hilazana an’ireo loza hanjo ny Israely nivadika taminy sy nanompo sampy. Milaza ny Baiboly fa ‘nitera-dahy tamin’i Hosea’ i Gomera, tamin’izy niteraka an’i Jezirela lahimatoany. Tsy voalaza anefa hoe ilay mpaminany no rain’ireo zaza roa nanaraka, ka mety hoe tsy zanany izy ireo. (Ho 1:3-9) Toa nanitsakitsaka an’ilay mpaminany i Gomera nefa nampodiny rehefa novidiny toy ny andevo. (Ho 3:1-3) Toy izany koa fa noraisin’Andriamanitra indray ny Israely.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara