TOGARMA
(Tôgàrma).
1. Zanakalahin’i Gomera zanak’i Jafeta, sady zafiafin’i Noa.—Ge 10:1-3; 1Ta 1:4-6.
2. Taranak’i Togarma zanak’i Gomera, sy ny faritra nonenan’izy ireo. Nolazain’i Ezekiela tao amin’ny hira fisaonana an’i Tyro fa avy any Togarma ireo “soavaly fitondra miady sy karazan-tsoavaly hafa ary ramole” natakalon’i Tyro tamin’ny entam-barony. (Ezk 27:2, 14) Nilaza koa izy fa anisan’ireo naman’i Goga avy any Magoga ny Togarma, izay “avy any amin’ny farany avaratra.”—Ezk 38:6.
Maro ny mpivaofy teny mihevitra fa ny Armenianina no Togarma. Ny Armenianina mihitsy koa no milaza fa taranak’i “Haik, zanak’i Tôrgôm” izy ireo. Nilaza ny mpanoratra grika fahiny fa nampahalaza ny Armenianina ny soavaliny sy ny ramoleny.