GOZANA
(Gozàna).
Toa sady anaran-toerana no anarana renirano. Tsy tanàna fotsiny angamba i Gozana, matoa lazaina fa anisan’ireo “firenena” resin’ny Asyrianina ny mponina tao. (2Mp 19:12; Is 37:12) Maro ny manam-pahaizana mihevitra fa i Gaozanitisy no Gozana, satria mitovitovy ireo teny ireo. Faritra tany Mezopotamia noresahin’i Ptolémée i Gaozanitisy, ary mety ho ilay “Gozana” resahin’ny soratra asyrianina. I Tell Halaf ankehitriny no heverina fa Gozana. Lalovan’ny Reniranon’i Khabour any avaratra izy io, ary 590 km eo ho eo atsinanana avaratratsinanan’ny Ranomasin’i Galilia.
Misy Baiboly mandika ny 2 Mpanjaka 17:6 sy 18:11 amin’ny hoe “Habora, onin’i Gozana” (Prot.), fa tsy hoe “Habora izay eo amin’ny reniranon’i Gozana” (TV). Mbola toerana ihany ilay hoe “Gozana” eo. Tsy mifanaraka amin’ny 1 Tantara 5:26 anefa ilay hoe “Habora, onin’i Gozana.” Eo anelanelan’i Hala sy Hara mantsy ilay hoe Habora ao amin’io andininy io, ary i Hara fa tsy i Habora no eo alohan’i Gozana. Midika izany fa tsy i Habora akory ilay ‘renirano’ na “onin’i Gozana” (Prot.). Voatery mandà an’io voalazan’ny Tantara io àry ireo manizingizina fa anaran-toerana ny hoe Gozana. Mitovy foana anefa ny teny hebreo nadika hoe “reniranon’i Gozana” ao amin’ireo andininy telo ireo. Azo inoana àry fa teny amoron’ny renirano iray nantsoina hoe Gozana no nanaovan’ny mpanjakan’i Asyria sesitany ny Israelita sasany avy tany amin’ny fanjakana tany avaratra. Misy milaza fa mety ho ny reniranon’i Kezel Ovzan any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Iran io “reniranon’i Gozana” io. Any amin’ireo tendrombohitra atsimoatsinanan’ny Farihin’i Ormia (ny tanin’ny Medianina fahiny) no misy ny loharanony. Mivarina any atsimoandrefan’ny Ranomasina Caspienne izy io, ary lasa hoe Sefid Rod na Renirano Fotsy ny anarany any. Misy koa anefa milaza fa renirano tany Mezopotamia i Gozana.