FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hara”
  • Hara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hara
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Media, Medianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Gozana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tilgato-pilnesera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tiglato-pilesera (III)
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hara”

HARA

(Hàra).

Anisan’ny toerana nandefasan’i Tilgato-pilnesera (Tiglato-pilesera III) mpanjakan’i Asyria an’ireo Israelita nataony sesitany. (1Ta 5:26) Miresaka an’ireny toerana ireny ihany ny 2 Mpanjaka 17:6; 18:11, rehefa mitantara fa nisy Israelita hafa nalefan’ny Asyrianina sesitany tatỳ aoriana. Milaza anefa ny soratra nataon’ny Masoreta hoe “tany amin’ireo tanànan’ny Medianina” izy ireny no nalefa, fa ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo kosa milaza hoe “tany amin’ireo tendrombohitry ny Medianina.” Manam-pahaizana maro no milaza fa mety ho ilay ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo no marina kokoa, satria rehefa voaesotra tsy nahy ilay hoe “ny Medianina” dia lasa anaran-tsamirery ilay “Hara” resahin’ny 1 Tantara 5:26 (Haraʼ mantsy no mety ho teny aramianina mifanitsy amin’ny teny hebreo [har] midika hoe “tendrombohitra”). Raha marina izany, ny hoe “Hara” dia mety hanondro ny “tendrombohitry ny Medianina” tany atsinanan’ny lohasaha misy ny Reniranon’i Tigra. Misy kosa milaza fa ny hoe “Hara” dia mety ho teny fampiasa momba ny faritra be tendrombohitra any Torkia, satria mihevitra izy ireo hoe tsy renirano fa toerana ilay Gozana resahin’ny 2 Mpanjaka 17:6 sy 18:11 (toy ny ao amin’ny DIEM).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara