AHANTONA
Nahantona teo amin’ny tsato-kazo ny mpandika lalàna sasany rehefa avy novonoina, araka ny lalàn’i Jehovah ho an’ny Israely. Nahantona teo amin’ny tsato-kazo, ohatra, ny fatin’izay meloka ho nanevateva an’Andriamanitra na nanompo sampy, rehefa avy notoraham-bato na novonoina tamin’ny fomba hafa izy ireo. (Js 8:29; 10:26; 2Sa 21:6, 9) “Voaozon’Andriamanitra” izy ireo, ary naseho vahoaka mba ho fampitandremana. Nila nesorina teo amin’ilay tsato-kazo anefa ny fatiny rehefa ho alina ary nalevina, mba tsy ho voaloto ny tany nomen’Andriamanitra ho an’ny Israelita. (De 21:22, 23) Narahina io didy io na dia tsy Israelita aza ilay nahantona.—Js 8:29; 10:26, 27.
Novonoin’ny Gibeonita ireo roa lahy zanak’i Saoly sy ny zafikeliny dimy efa natolotr’i Davida azy ireo, nefa tsy nalevina ny alin’iny. Navela teny an-kalamanjana ny fatin’izy ireo teo am-piandohan’ny fijinjana vary orza (Martsa-Aprily) ka mandra-pilatsaky ny orana, tamin’ny faran’ny fotoam-pijinjana. Fa nahoana? Satria nampanota ny firenen’Israely i Saoly Mpanjaka noho izy namono ny Gibeonita, nefa efa nanao fifanekena tamin’izy ireo i Josoa taonjato maro talohan’izay. (Js 9:15) Tsy faly Andriamanitra ka nahatonga mosary telo taona tao amin’ilay tany. Navela teo àry ireo faty mandra-pandatsak’i Jehovah orana. Nofaranany ilay hain-tany ary nasehony fa tsy tezitra intsony izy. Nasain’i Davida nalevina ireo taolam-paty, ary avy eo “nohenoin’Andriamanitra ny fitalahoana ho an’ilay tany.”—2Sa 21:1-14.
Toa namono an’ireo mpanao heloka bevava koa ny Ejipsianina, vao nanantona azy teo amin’ny tsato-kazo. Porofon’izany ny tenin’i Josefa tamin’ilay lehiben’ny mpanao mofo hoe: “Havoakan’i Farao ianao, ka hotapahiny ny lohanao. Ary hahantony amin’ny tsato-kazo ianao.” (Ge 40:19, 22; 41:13) Talah ny teny hebreo ilazana ny nanantonana ny lehiben’ny mpanao mofon’i Farao.
Lozabe ireo firenena nanodidina ny Israely rehefa nanasazy olona sy nanala baraka an’ireo novonoina ho faty. Nalaza ho lozabe, ohatra, ny Asyrianina rehefa niady. Nahantony teo an-tendron’ny tsato-kazo maranitra ny olona nobaboiny rehefa avy naboridany. Natsatony teo amin’ny kibon’ilay olona ilay tsato-kazo ary nigorobaka teo amin’ny tratrany. Hita eo amin’ny sary mivohitra maromaro ny Asyrianina manantona olona toy izany, ary ahitana azy ireo manafika sy mandresy an’i Lakisy ny iray amin’ireo sary ireo. (2Mp 19:8; SARY, Boky 1, p. 958) Nampijalijalin’ny miaramila babylonianina ireo olona ambony tao Jerosalema rehefa resy ilay tanàna, ka nahantony ‘tamin’ny tanana’ iray ny andriana sasany.—Ft 5:12.
Nanantona ny olona sasany nosaziny koa ny Persianina. Notapahiny, hono, ny lohan’ilay olona na nendahiny ny hodiny, vao nahantony ilay olona. Namoaka didy, ohatra, i Dariosy Lehibe hoe izay nitady hampitsahatra ny asan’ireo Jiosy nanorina indray ny tempolin’i Jerosalema, dia hahantona eo amin’ny hazo nalaina tamin’ny tranony. (Ezr 6:11) Tantarain’ny bokin’i Estera fa nisy olona maromaro nahantona, tamin’ny andron’i Ahasoerosy (Ksersesy I) zanak’i Dariosy. Teny hebreo iray (talah) foana no nadika hoe ‘manantona’ ao. Nahantona teo amin’ny tsato-kazo ny lehilahy roa mpiandry varavarana. Izany no sazy nampiharin’ny Persianina tamin’ny mpamadika. (Es 2:21-23) Naseho vahoaka ny fatiny noho izy ireo nahavita heloka tamin’ny mpanjaka. Nahantona teo amin’ny tsato-kazo koa i Hamana sy ny zanany folo lahy. (Es 5:14; 6:4; 7:9, 10; 9:10, 13, 14, 25) Efa novonoin’ny Jiosy anefa ny zanak’i Hamana folo lahy vao nahantona ny ampitson’iny. (Es 9:7-10, 13, 14) Nitantara i Hérodote (III, 125, 159; IV, 43) fa nisy olon-kafa koa nahanton’ny Persianina.
Naka tahaka an’ireo Fenisianina, hono, ny Grika sy Romanina ka nanantona olona koa. Efa tamin’ny andron’i Constantin vao natsahatra ilay fanao. Nahalana vao nisy Romanina nahantona, satria andevo sy mpanao heloka bevava raindahiny ihany no nosazina toy izany. Tamin’ny Jiosy sy Romanina, dia nietry sy afa-baraka izay nahantona, satria voaozona.—De 21:23; Ga 3:13; Fi 2:8.
Nasain’ny fanjakana romanina tany Palestina nahantona velona sy nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo i Jesosy Kristy. (Jn 20:25, 27) Tena zava-dehibe tamin’ny Jiosy ny fomba nahafatesan’i Jesosy, satria hoy ny apostoly Paoly: “Nividy sy nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna i Kristy rehefa nanjary voaozona hisolo antsika, satria voasoratra hoe: ‘Voaozona izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo.’”—Ga 3:13; jereo FANTSIHANA AMIN’NY HAZO.
Nananton-tena ireo olona roa namono tena resahin’ny Baiboly. “Nananton-tena” i Ahitofela, ilay mpanolo-tsain’i Davida namadika azy. (2Sa 17:23) Mifanitsy amin’izany ny nataon’i Jodasy Iskariota, apostoly namadika an’i Jesosy (Sl 41:9; Jn 13:18), satria nananton-tena koa izy. (Mt 27:5) Tapaka angamba ny tady na ny sampan-kazo nihantonany, dia ‘nianjera izy ka ny lohany no lasa aloha. Ary vaky ny tao anatiny ka nipoaka, dia nipotsaka daholo ny tsinainy.’—As 1:18.