FANTSIHANA AMIN’NY HAZO
Olona velona na maty no fantsihana amin’ny tsato-kazo na hazo. Fantatry ny rehetra fa toy izany no fomba namonoana an’i Jesosy Kristy. (Lk 24:20; Jn 19:14-16; As 2:23, 36) Samy nanana ny fomba famantsihana na fanantonana amin’ny hazo ireo firenena fahiny.
Mety ho nanan-jo hamantsika olona noho ny antony ara-pivavahana ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Ny manam-pahefana romanina toa an’i Pontio Pilato ihany no nanan-jo hamantsika olona noho ny antony hafa. (Jn 18:31; 19:10) Ny Jiosy, ary indrindra fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy, anefa no tena tompon’andraikitra tamin’ny namantsihana an’i Kristy.—Mr 15:1-15; As 2:36; 4:10; 5:30; 1Ko 2:8.
Nofatoran’ny Romanina teo amin’ny tsato-kazo ilay olona indraindray. Nijalijaly nandritra ny andro maromaro àry izy, vao maty noho ny hanoanana sy ny hetaheta ary ny hainandro. Fanaon’ny Romanina koa ny namantsika ny tanana (ary angamba koa ny tongotra), toy ny nataony tamin’i Jesosy. (Jn 20:25, 27; Lk 24:39; Sl 22:16; Kl 2:14) Milaza ny manam-pahaizana fa anisan’ny tanana ny hatotanana. Misy àry dokotera mihevitra fa nalentika teo anelanelan’ireo taolana kelin’ny hatotanana, fa tsy teo amin’ny felatanana, ilay fantsika mba tsy hitambotsotra ilay olona. (Jereo Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana, 21 Martsa 1986, p. 1460.) Anisan’ny “tanana” tokoa ny hatotanana, matoa voalaza fa natao teo amin’ny ‘tanana’ ny brasele (Ge 24:47), ary nofatorana tamin’ny tady ny ‘tanan’i’ Samsona.—Mpts 15:14.
Tsy resahin’ny Baiboly raha nofantsihana koa ireo jiolahy teo anilan’i Jesosy, na nofatorana fotsiny teo amin’ny tsato-kazo. Raha nofatorana izy ireo, dia tsy mahagaga raha mbola velona ka voatery notapahina ny ranjony, nefa i Jesosy efa maty. (Jn 19:32, 33) Maty izy ireo tsy ela taorian’izay. Misy mihevitra fa nihasempotra izy ireo, satria tsy afaka nanainga ny vatany mba hifohana rivotra. Mety ho antony hafa koa anefa no nahatonga an’ireo jiolahy ho velona ela kokoa. Tsy niady saina mafy na nampijalijalina toa an’i Jesosy mantsy izy ireo. I Jesosy kosa efa niatrika an’ireo fahavalony ny alina talohan’izay. Mafy be koa ny kapoka nataon’ny miaramila romanina taminy matoa izy tsy nahazaka an’ilay hazo fijaliana intsony, nefa izy no tokony hitondra an’ilay izy.—Mr 14:32–15:21; Lk 22:39–23:26.
Teo amin’ny inona i Jesosy no maty, raha jerena ny teny grika tany am-boalohany?
Baiboly maro amin’ny fiteny vahiny no milaza fa ‘nofantsihana teo amin’ny lakroa’ i Kristy. Maro mantsy no mino hoe teo amin’ny “lakroa”, na hazo mitanambokovoko, izy no nahantona, fa tsy teo amin’ny tsato-kazo. Ny lovantsofina, fa tsy ny Soratra Masina, no milaza fa ilay tsivalan-kazo ihany (antsoina hoe patibulum na antenna) no nentin’ilay voaheloka, fa tsy ireo hazo roa mifanapaka. Amin’izay mantsy, hono, tsy navesatra loatra ilay izy mandra-pahatonga teo Golgota.
Ireto teny sy matoanteny grika ireto anefa no nampiasain’ireo mpanoratra Baiboly: Staorôs im-27, staorôô in-46, synstaorôô (tovona syn, midika hoe “miaraka amin’ny”) in-5, ary anastaorôô (tovona ana, midika hoe “indray”) indray mandeha. Nampiasain’izy ireo koa ilay teny grika hoe ksylôn midika hoe “hazo”, ary in-5 no voalaza fa nofantsihana teo amin’izy io i Jesosy.
Tsy midika hoe “lakroa” mihitsy ny staorôs amin’ny teny grika fahiny sy teny koine, fa midika fotsiny hoe tsato-kazo na hazo mahitsy, toy ireny fanaovana fefy ireny. Izao no fanazavan’ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly eo ambanin’ny hoe “Lakroa”: “Tsato-kazo mahitsy no tena hevitr’ilay teny gr. nadika hoe ‘lakroa’ (staorôs; matoanteny staorôô ...), ary midika koa izy io hoe tsato-kazo ampiasaina hanasaziana sy hamonoana.”—Nataon’i Douglas, 1985, p. 253.
Hita ao amin’ny fitantaran’i Lioka sy Petera ary Paoly fa mitovy dika amin’ny staorôs ny hoe ksylôn. Porofo koa izany fa teo amin’ny tsato-kazo mahitsy i Jesosy no nofantsihana, satria izany no dikan’ny hoe ksylôn eto. (As 5:30; 10:39; 13:29; Ga 3:13; 1Pe 2:24) Ksylôn koa no ilazana ny hazo hanantonana an’izay nandika lalàna, ao amin’ny Ezra 6:11 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.
Mety àry ny nandikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny staorôs hoe “hazo fijaliana”, sy ny matoanteny staorôô hoe “mamantsika eo amin’ny hazo” na tsato-kazo. Amin’izay tsy hisy hihevitra mihitsy hoe ilay lakroa fampiasan’ny fivavahana maro no staorôs. (Jereo HAZO FIJALIANA.) Tsy mahagaga àry raha milaza ny Baiboly fa zakan’i Simona teratany avy any Kyrena ilay hazo fijaliana, satria 15 sm ny savaivony ary 3,5 m ny lavany. Nilanja 45 kg mahery kely angamba ilay izy.—Mr 15:21.
Hoy i W. Vine, manam-pahaizana momba ny teny grika: “Hazo na tsato-kazo mahitsy no tena dikan’ny hoe STAUROS (σταυρός). Teo amin’ireny no nofantsihana ireo olon-dratsy hovonoina. Hatrany am-boalohany ilay anarana sy ilay matoanteny staorôô, izay midika hoe mamantsika eo amin’ny tsato-kazo na hazo mahitsy, no tsy mitovy amin’ilay lakroa misy hazo roa mifanapaka fampiasan’ny fivavahana.” Noresahiny koa fa tany Kaldea no nampiasana voalohany ny lakroa, ary lasa nampiasa azy io koa ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina tamin’ny taonjato fahatelo, satria teo amin’ny lakroa, hono, i Kristy no nofantsihana.—Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao, 1981, Boky 1, p. 256.
Mariho koa ity fanazavana ity: “Mahagaga fa efa nampiasaina ho marika famantarana masina ny Lakroa, ela be talohan’ny nahaterahan’i Kristy, tany amin’ireo tany mbola tsy nitorian’ny Eglizy mihitsy. ... Samy nampiasa lakroa daholo ireo mpivavaka tamin’i Bacchus, andriamanitra grika, na tamin’i Tamoza, andriamanitr’i Tyro, na tamin’i Bela, andriamanitra kaldeanina, na tamin’i Odin, andriamanitra norvezianina.”—Ny Lakroa teo Amin’ny Fivavahana sy Rafitrano ary Zavakanto, nataon’i G. Tyack, Londres, 1900, p. 1.
Izao no nosoratan’i J. Parsons: ‘Ireo boky maro be ao amin’ny Testamenta Vaovao, amin’ny teny grika tany am-boalohany, dia tsy ahitana porofo mihitsy fa hafa noho ny staorôs tsotra no nampiasaina tamin’i Jesosy. Tsy misy fehezanteny milaza izany ao na iray aza, eny fa na dia tsy mivantana aza. Tsy misy porofo mihitsy koa ao hoe hazo roa natambatra ho lakroa ilay izy. Tena mamitaka ireo mpampianatra antsika satria adikany hoe “lakroa” ny hoe staorôs, rehefa mandika ny sora-tanana grika amin’ny fitenintsika izy. Mamitaka koa izy ireo satria mampiditra izany dikan-teny izany ao amin’ny rakibolana, nefa tsy manazava akory hoe tsy izany mihitsy no tena heviny tamin’ny andron’ny Apostoly. Tsy hazavainy koa fa efa ela be tatỳ aoriana vao nanana izany heviny izany ny staorôs, rehefa noheverina hoe miendrika lakroa ilay nampiasaina tamin’i Jesosy. Tsy fantatra anefa ny anton’izany fiheverana izany sady tsy misy porofo akory.’—Ny Lakroan’ny Tsy Kristianina, Londres, 1896, p. 23, 24.
Heviny an’ohatra. Resahin’ny Baiboly fa tena nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana i Jesosy Kristy Tompo. (1Ko 1:13, 23; 2:2; 2Ko 13:4; Ap 11:8) Manana heviny an’ohatra koa anefa ny hoe ‘fantsihana amin’ny hazo fijaliana’, toy ny ao amin’ny Galatianina 2:20. Novonoin’ny Kristianina na nesoriny ny toetrany taloha, noho ny finoany an’i Kristy nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana. (Ro 6:6; Kl 3:5, 9, 10) Hoy i Paoly: “Izao no ataon’izay an’i Kristy Jesosy: Nofantsihan’izy ireo tamin’ny hazo fijaliana ny nofo, mbamin’ny filan-dratsiny sy ny faniriany.” Nilaza koa izy fa tamin’ny alalan’i Kristy no ‘namantsihana an’izao tontolo izao, araka ny heviny, fa namantsihana azy kosa araka ny hevitr’izao tontolo izao.’—Ga 5:24; 6:14.
Ireo mpivadi-pinoana kosa ‘mamantsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny hazo fijaliana indray, ka manala baraka azy ampahibemaso.’ Tsy eken’izy ireo mantsy ilay fomba nampiasain’Andriamanitra hamonjena ny olona. Mivadika toa an’i Jodasy àry izy ireo.—He 6:4-6.