HARBONA
(Harbôna).
Iray amin’ireo tandapa fito nirahina hampiantso an’i Vasty vadin’ny mpanjaka. Rehefa fantatra fa nitetika ny handripaka ny Jiosy i Hamana, dia nilaza i Harbona fa nampanao tsato-kazo 50 hakiho i Hamana mba hanantonana an’i Mordekay. Nasain’i Ahasoerosy nahantona tamin’ilay izy àry i Hamana.—Es 1:10-12; 7:9, 10.