HARIFITA
(Harifìta) [An’i Harifa na Harofa].
Teny ilazana an’ilay Benjamita atao hoe Sefatia. Niandany tamin’i Davida izy ka nankany aminy tany Ziklaga, tamin’i Davida mbola tsy afaka nivezivezy noho ny amin’i Saoly. Lazaina hoe Harifita i Sefatia satria mety ho taranak’i Harifa na Harofa izy, nefa koa mety ho avy any Harifa na Harofa (tsy fantatra ny nisy an’io toerana io).—1Ta 12:1, 2, 5.