HAZAZONA-TAMARA
(Hazazôna-tamàra) [Tany Misolampy Misy Vatokely sy Hazo Palmie].
Tanànan’ny Amorita akaikin’ny Lemaka Ivan’i Sidima angamba. Resin’i Kedorlaomera Mpanjaka sy ny mpanjaka niaraka taminy ny Amorita tao Hazazona-tamara. (Ge 14:5-8) Tonga hanafika an’i Joda ireo miaramila avy any Moaba sy Amona ary ny faritra be tendrombohitr’i Seira, taonjato maro tatỳ aoriana. Tao “Hazazona-tamara, izany hoe En-jedy” izy ireo. (2Ta 20:2, 10, 11) Milaza ny manam-pahaizana maro fa toerana teo atsimon’i En-jedy io voalazan’ny Genesisy io. Teny nampiana tatỳ aoriana àry, hoy izy ireo, ilay hoe “izany hoe En-jedy.” Toa mbola ahitana ilay anarana hoe “Hazazona-tamara” anefa amin’ilay hoe Lohasaha Falehan-driaka Hasasa (Nahal Hazezona) (10 km eo ho eo avaratr’ilay toerana lazaina fa En-jedy io lohasaha io). Mety tsara hilazana ny faritr’i En-jedy koa ny hevitry ny hoe Hazazona-tamara. Nilaza mantsy i Josèphe fa nisy ny “hazo palmie tsara indrindra” tao amin’ilay faritra. (Rakitry ny Ela Jiosy, IX, 7 [i, 2]) Raha toerana tany atsimo kokoa àry ilay voalazan’ny Genesisy, dia mety ho toerana roa no Hazazona-tamara: Ilay nantsoina hoe En-jedy, na ilay nantsoina fotsiny hoe Tamara, tany atsimoandrefan’ny Ranomasina Maty.—Ezk 47:19; 48:28.