FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hierapolia”
  • Hierapolia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hierapolia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Epafra — “Mpanompon’i Kristy Mahatoky”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Azia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tonga Hatrany Azia Minora ny Fivavahana Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Laodikia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hierapolia”

HIERAPOLIA

(Hierapôlìa) [Tanàna Masina].

Tanàna tao amin’ny faritanin’i Azia. Teo amin’ny sisiny avaratry ny Lohasahan’i Lycus any Azia Minora no nisy azy io, tokony ho 10 km tany avaratr’i Laodikia any Pamukkale ankehitriny, any Torkia.

Toa tsy tany Hierapolia mihitsy ny apostoly Paoly. Azo inoana anefa hoe nisy vokany “tany amin’ny faritr’i Azia” manontolo ny fitoriany tao Efesosy (nanomboka tamin’ny ririnina taona 52/53 ka hatramin’ny Pentekosta taona 55 [1Ko 16:8]). (As 19:1, 10) Toa ny “ezaka” nataon’i Epafra no nampisy ny Fivavahana Kristianina tany Hierapolia.​—Kl 4:12, 13.

Na dia tsy nalaza teo amin’ny sehatry ny fitondrana aza i Hierapolia, dia lasa tanàna niroborobo tamin’ny fotoana nilamina nandritra ny fitondrana romanina, satria tao no nisy ny foiben’ny fivavahana tamin’i Cybèle. Ankoatra ny fivavahana tamin’io andriamanibavy io, dia teo koa ireo loharanon-dranovisy tao sy ilay nantsoina hoe Plotonioma na Charon, lavaka lalina sady tery kely izay nivoahan’ny gazy mahafaty.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara