FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hivita”
  • Hivita

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hivita
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Horita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Kanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Gibeona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Israely sy ny Manodidina
    ‘Jereo Ilay Tany Soa’
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hivita”

HIVITA

(Hivìta).

Taranak’i Kanana zanakalahin’i Hama. (Ge 10:6, 15, 17; 1Ta 1:13, 15) Nipetraka tao Sekema ny Hivita, tamin’ny andron’i Jakoba. Nandoto an’i Dina zanakavavin’i Jakoba anefa i Sekema zanakalahin’i Hamora mpiadidy tao. Notaomin’i Simeona sy Levy anadahin’i Dina hamono ny lehilahy rehetra sy handroba an’ilay tanàna àry ireo rahalahiny.​—Ge 34:1-29.

Nampanantena an’ireo Israelita efa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina Andriamanitra, fa horoahiny tsy ho eo anatrehan’izy ireo ny firenena kananita fito, anisan’izany ny Hivita. (Ek 3:8, 17; 13:5; 23:23, 28; 33:2; 34:11) Voalaza fa be mponina sady mahery noho ny Israelita ireny firenena ireny. (De 7:1) Nodidian’i Mosesy handringana tanteraka azy ireny ny Israelita rehefa mamabo ny tanànany, satria naharikoriko ny fanaony sy ny sampiny. Raha tsy izany, dia ho fandrika ho an’ny Israely izy ireny ka hahatonga azy tsy hankasitrahan’Andriamanitra intsony.​—Le 18:27, 28; De 18:9-13; 20:15-18.

Resahin’ny Baiboly fa noravan’i Josoa tanteraka ny tanànan’ireny firenena ireny. (Js toko 10, 11) Anisan’ireo foko niaraka tamin’ireo mpanjaka kananita ny Hivita nonina “teo am-pototr’i Hermona [tendrombohitra] any Mizpa”, rehefa nantsoin’i Jabina mpanjakan’i Hazora hiady tamin’i Josoa. (Js 11:1-3) Anisan’ireo niady tamin’ny Israely ny Hivita ka resiny. (Js 9:1, 2; 12:7, 8; 24:11) Nisy foko hivita notsimbinina anefa (Js 9:3, 7), dia ny Gibeonita, izay nisolo tena tanàna hivita telo hafa koa. Izy ireo irery no natahotra an’i Jehovah sy niaiky fa niady ho an’ny Israely Izy. Nampiasa tetika izy ireo ka afaka nanao fifanekena tamin’ireo lohandohany teo amin’ny Israely. Tsy naringana àry izy ireo fa natao mpanompon’ny Israely. (Js 9:1-15, 24-27) Lasa andevon’ny taranak’i Sema ireo Gibeonita sy ny namany, araka ilay fanozonan’i Noa an’i Kanana.​—Ge 9:25-27.

Nitana ny fifanekeny tamin’ireny Hivita ireny ny Israely. Nankasitrahan’i Jehovah izany matoa narovany ny Gibeonita, rehefa nanafika azy ireo ny Kananita teny amin’ny manodidina. (Js 10:1-14) Niara-nonina tamin’ny Israely ny Gibeonita taorian’izay, ary nihavana tsara izy ireo. (2Sa 21:1-6) Nantsoina hoe “Amorita” ny Gibeonita ao amin’ny 2 Samoela 21:2. Tsy mahagaga anefa izany satria ny Kananita rehetra tamin’ny ankapobeny no nantsoina hoe “Amorita.” Ny Amorita mantsy no anisan’ny foko natanjaka indrindra tany Kanana. (Jereo AMORITA.) Nipetraka tao Gibeona, avaratrandrefana kelin’i Jerosalema, sy tao Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima ireny Hivita nankasitrahan’i Jehovah ireny, tamin’ny andron’i Josoa. Voalaza fa “tanàna lehibe i Gibeona, sahala amin’ny tanàna misy mpanjaka, sady mbola lehibe noho i Ay, ary natanjaka daholo ny lehilahy tao.”​—Js 10:2; 9:17.

Tsy tena nanaraka ny baikon’Andriamanitra ny Israely taorian’ny nahafatesan’i Josoa, ka tsy noroahin’izy ireo daholo ny Kananita. Nisy mihitsy aza nanambady azy ireny. Hoy àry ny Baiboly: “Ireo firenena ireo no navelan’i Jehovah teo mba hitsapana ny Israelita ... Ny andriana dimy mpiray dinan’ny Filistinina, ny Kananita rehetra, ary ny Sidonianina sy ny Hivita nonina tany an-tendrombohitra Libanona, nanomboka tany an-tendrombohitra Bala-hermona ka hatrany amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata. ... Ary nanompo ny andriamanitr’ireny ny zanak’Israely.”​—Mpts 3:1-6.

Voalaza eo fa nipetraka tany amin’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona ka hatrany amin’ny farany avaratry ny Tany Nampanantenaina ny Hivita. (No 34:8; Js 11:1, 3) “Tonga tany Tyro, tanàna voaro mafy, sy tany amin’ny tanàna rehetran’ny Hivita” i Joaba sy ireo niaraka taminy, rehefa nodidian’i Davida Mpanjaka hanoratra anarana ny vahoaka. (2Sa 24:7) Teo atsimo kelin’ny faritra nisy ny Hivita i Tyro.

Nampanaovin’i Solomona asa an-terivozona ny Kananita, anisan’izany ny Hivita, tamin’izy nanorina zavatra maro eran’ny fanjakany. Israelita kosa ireo mpanara-maso ny asa. Tanteraka tamin’izay koa ny fanozonan’i Noa an’i Kanana.​—1Mp 9:20-23; 2Ta 8:7-10.

Hivita, Horita ary Horianina. Resahin’ny Genesisy 36:2 hoe Hivita i Zibona, raiben’ny iray tamin’ny vadin’i Esao. Lazain’ny andininy faha-20 sy 24 anefa fa taranak’i Seira Horita izy. Avy amin’ny teny hebreo hoe hôr (“lavaka”) angamba ny hoe “Horita”, ka mety hidika hoe “mponina an-dava-bato.” Izany àry no mety ho antony ilazan’ny Genesisy 36:20, 24 hoe “Horita” i Zibona.​—Jereo HORITA.

Milaza ny manam-pahaizana fa misy soratra tranainy hitan’ny mpikaroka manaporofo fa nipetraka tany amin’ny faritr’i Armenia, Anatolia, Syria ary Palestina fahiny, ny firenena iray antsoina hoe Horianina. Mino koa izy ireo fa anisan’io firenena io ny Hivita sy Horita ary Jebosita. Ny “Hivita” ihany no “Horita”, hoy izy ireo, ary lasa nantsoina hoe Hivita ny Horianina. Teny sy anaran’olona mitovitovy no mahatonga azy ireo hihevitra toy izany. Misy ifandraisana amin’ny hoe “Horianina” àry, hono, ny hoe Horita, fa tsy midika hoe “mponina an-dava-bato.”

Toa avahan’ny Baiboly anefa ny Hivita sy ny Horita, ary tsy resahiny ny momba ny Horianina. Aleo àry miandry porofo hafa mba hahitana raha ny Horita ihany no Hivita.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara