HORITA
(Hôrìta).
Firenena nonina tany amin’ireo tendrombohitr’i Seira fahiny. Lazain’ny Baiboly hoe “taranak’i Seira Horita” izy ireo. (Ge 36:20, 21, 29, 30) “Nandroaka azy” anefa ny Edomita “sady nandringana azy ka nonina tany hisolo azy.”—De 2:12, 22.
Milaza ny Genesisy 36:2 ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, fa i “Zibona Hivita” no raiben’ny iray tamin’ny vadin’i Esao. Lazain’ny andininy faha-20 sy 24 kosa fa taranak’i Seira Horita i Zibona. Mety hidika fotsiny hoe “mponina an-dava-bato” anefa ny hoe “Horita”, izay avy amin’ny teny hebreo hoe hôr (“lavaka”). Azo lazaina àry hoe Hivita i Zibona saingy nonina an-dava-bato.
Antsoina hoe “Horeanina” (Horita), fa tsy hoe “Hivita”, ny Gibeonita ao amin’ny Josoa 9:7, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Toa diso anefa izany satria anisan’ireo firenena kananita fito tsy maintsy haringana tanteraka ny Gibeonita (fa tsy ny Horita). Ny soratra nataon’ny Masoreta kosa milaza azy ireo hoe “Hivita.”—Js 9:22-27; De 7:1, 2.
Horianina. Mihevitra ny manam-pahaizana maro fa ilay firenena antsoiny hoe Horianina no Horita. Teny sy anaran’olona mitovitovy eo amin’ny takelaka hita vao haingana tany amin’ny faritra iray midadasika hatrany Torkia ka hatrany Syria sy Palestina, no mahatonga azy ireo hihevitra toy izany. Lasa nantsoina hoe Horita àry, hono, ny “Horianina.” Hoy anefa i E. Speiser:
“Toa Horianina koa ny Jebosita resahin’ny Baiboly. Hafa firenena mantsy izy ireo (Mpits. 19:12), raha jerena ilay anarana jebosita hoe Avarnah (II Sam. 24:16, Kethib). Misy teny horianina hoe Hepa koa ny anaran’ny mpitondra iray tao Jerosalema na Jebosa, tamin’ny taonjato faha-14. Samy Horianina ... àry ny Jebosita sy ny Hivita, firenena roa anisan’ny firenena lehibe talohan’ny nahatongavan’ny Israelita.” (Ny Tantaran’ny Jiosy, 1964, Boky 1, p. 159) Hoy koa izy:
“Misy tsy mitombina anefa io fanatsoahan-kevitra io. Tsy momba ny toerana nisy ny Horianina tamin’ny andro fahiny akory izany, fa momba ilay filazana hoe ny Horita ihany no Horianina. ... Tsy nahita porofo mantsy ny mpikaroka hoe nipetraka tany Edoma na tany Transjordanie ny Horianina. Nisy fotoana àry nanana heviny roa samy hafa mihitsy ny hoe Hory resahin’ny Baiboly, tsy misy hafa amin’ny hoe Kosy.”
Mba tian’ny manam-pahaizana hantsoina hoe Horianina (anarana tsy hita ao amin’ny Baiboly) ireo Horita sy Hivita ary Jebosita, izay anisan’ny firenena iray niely patrana. Miaiky anefa izy ireo fa tsy misy porofo hoe nipetraka tany Edoma ny Horianina. Ny Baiboly kosa milaza fa tany Edoma ny Horita. Ireo mponina tany Seira talohan’ny Edomita ihany àry no nantsoin’ny Baiboly hoe “Horita.”