HOLA
(Hòla).
Zanakalahin’i Arama. (Ge 10:23) Toa zanakalahin’i Sema anefa i Hola ao amin’ny 1 Tantara 1:17. Mitovy amin’ny Genesisy 10:23 kosa ny 1 Tantara 1:17 ao amin’ny Sora-tanana Alexandrinus sy ny sora-tanana hebreo Kennicott 175, satria ahitana hoe “ary ny zanakalahin’i Arama dia” eo alohan’i Oza sy Hola sy Gatera ary Masy. Mety ho fahadisoan’ny mpanao dika soratra àry matoa tsy misy hoe “ary ny zanakalahin’i Arama dia” ao amin’ny 1 Tantara 1:17, ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta. Tsy voatery ho izany koa anefa satria mety hidika hoe zafikely na taranaka ny hoe ‘zanaka’ ao amin’ny Soratra Masina. (Ampit. 1Ta 1:4. Tsy voalaza ao hoe zanakalahin’i Noa i Sema sy Hama ary Jafeta, satria toa efa fantatry ny rehetra ka noheverin’ilay mpanoratra hoe tsy nilaina nampahafantarina intsony.)
Tsy fantatra hoe taiza no nanorim-ponenana ny taranak’i Hola. Nilaza i Josèphe fa i Hola (Oros) no nonina voalohany tany Armenia. (Rakitry ny Ela Jiosy, I, 145 [vi, 4]) Ny hafa indray nilaza hoe tany Mezopotamia sy toeran-kafa no nonenany. Maro anefa no mihevitra fa faritra tany akaikin’ny reniranon’i Meroma tany avaratry ny Ranomasin’i Galilia i Hola. Toa mbola ahitana an’ilay anarana mantsy, hono, ny hoe “Hola” sy “Olata”, izay faritra noresahin’i Josèphe.—Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 360, (x, 3).